Socio-eco

ALLIANCE FRANÇAISE ANTANANARIVO: Mankalaza ny faha-75 taonany


Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 26 febroary 2022 teny amin’ny foibeny eny Andavamamba ny fankalazana ny faha-75 taonan’ny Alliance française Antananarivo (AFT). Fitokanana ny tsangambato faha-75 taona, fametrahana vato fototra voalohany ho fananganana ny efitrano fianarana vaovao ary fampirantiana ny lalana nodiavin’ny AFT tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ireo mpitondra nifandimby no nanamarihana izany. Nanatrika ny lanonana ny Ministry ny fanabeazam-pirenena izay nisolo tena ny Praiministra Ntsay Christian mpiahy ny fankalazana, ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina, ny Ministry ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak’asa, ny Sekretera Jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika, ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ary ireo mpikambana  ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny AFT teo aloha sy ankehitriny. Hetsika maro no hokarakaraina mandritra ny taona 2022 ho fanamarihana ny tsingeritaona toy ny famaranana ny fifaninanana mamaky teny sy soratonona eny anivon’ny sekoly, ny diabe… Hofaranana ny 03 desambra 2022 amin’ny alalan’ny seho lehibe ny fankalazana, araka ny fanazavan’ny komity mpikarakara ny fankalazana.

Tao anatin’ny 75 taona, Filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA)  fito (07) no nifandimby nitondra ny AFT.  Malagasy ny enina (06) ary vehivavy ny iray tamin’ireo dia Raharinosy Monique. Profesora Rakoto Ratsimamanga Albert ny Malagasy voalohany nandimby ny toeran’i Henri de Brugada, PCA voalohany tao amin’ny AFT. “Noho ny ezaka vita dia fitarik’andro ho an’ireo Alliances françaises (AF) eto Madagasikara sy manerana an’izao tontolo izao ny AFT”, hoy Raharinosy Monique.  Tsiahivina fa 28 ny AF eto an-toerana ary mahatratra 830 ny AF miparitaka amin’ny firenena 132. Nohamafisiny fa iraka ataon’ny AFT ny fampiroboroboana ny teny frantsay amin’ny fomba rehetra, ny fanomezana lanja ny kolontsaina marolafy ary ny fampiroboroboana ny vaky boky. Ho an’ny taona 2021, mpianatra maherin’ny 15.000 no nandalo tao amin’ity ivon-toeram-pampiofanana teny frantsay ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *