
ROFIA sisa tavela – Ambalambaksiny (kaominina Andranofasika, distrik’Ambato Boeny)
« Taloha ny tanimbary nangonahona be tsy azo hitsahina noho izy loharano. Amin’izao fotona izao na ny omby aza afaka miraoka eo satria lasa tany ngazana », hoy RAKOTONDRAMARO Rolland, tantsaha sady prezidà m-pokontany Ambalambakisiny. Rakotra ala rofia (raphia) ny lemaka tao amin’ny Ambalambaksiny (kaominina Andranofasika, distrik’Ambato Boeny) taloha saingy ripaka izany noho ny doro tanety. Efa azo isaina amin’ny ratsan-tanana sisa ny rofia maniry ao raha ny volana novambra 2025.
Tombotsoa maro ny fisian’ny rofia ao amin’ity fokontany ity. Manana anjara toerana eo amin’ny tontolo iainana izy, ara-toekarena ary kolontsaina. Manampy amin’ny tsy fikahoan’ny riaka ny tany ity karazan-kazo ity. Mitazona ny rano sy ny hamandoana amin’ny tany, indrindra amin’ny fotoanan’ny hain-tany ihany koa. Velona amin’ny toerana mando, honahona, amoron-drano izy. Loharanon-karena voajanahary azo havaozina ny rofia saingy mila fitantanana tsara satria azon’ny olona ampiasaina amin’ny zavatra maro ka ho tapahana tsy ampieverana. Ny raviny azo hanaovana asa tanana toy ny harona, satroka, sy ny maro hafa ; ny voany hamokarana  menaka  ( huile de raphia ) ary ny tahony  hanamboarana trano sy tafo, indrindra any ambanivohitra.
Nihena ny fotoana hambolem-bary

RAKOTONDRAMARO Rolland, tantsaha sady prezidà m-pokontany Ambalambakisiny
Manomboka mijaly rano ny mpamboly ao Ambalambaksiny vokatry ny faharipahan’ny ala rofia sy ny ala ao amin’ny sahandriakan’Ambiovio. Ny taona 2015 no niatombohan’ io fahapotehana io. « Taloha, tonga hatraty amin’ity tanimboliko ity ny rano. Mando lava ny tanimboliko. Afaka namboleko vary sy mangahazo. Izao mangahazo sisa no azo ambolena aminy », hoy RAKOTONDRAMARO Rolland.
Maro amin’ireo tanimbary ao Ambalambaksiny no maina sy tsy mamokatra intsony noho ny fikaohan’ny riaka ny nofontany amin’ny vavasaha indrindra ny tsy fahampian’ny hazo ao anatin’ny sahandriaka Ambiovio.
Lasa tanimbary « asara » na fotoanan’ny fahavaratra sisa no mamboly ny nakamaroan’ny tantsaha oa an-toerana raha toa ka in-telo no namboly vary taloha, ao anatin’ny taona iray (vary asara ambolena amin’ny fotoam-pavaratra, vary jeby ambolena maintany, vary atriatry ambolena fafarano). Nambarany fa lany taranaka ihany koa ny rofia satria tototry ny tany.
Nahitam-bokany ny fambolena rofia

MBOLA Albert – tantsaha ao Ambalambaksiny
Vahaolana ny fambolena rofia mba hiverenan’ny rano hiangona indray. Araka ny fanadihadiana nataon’ny botanista kameroney sy « hydrologiste » indoneziana dia mitazona hamandoana 10 ka hatramin’ny 15m² ny rofia iray. 0,5 ka hatramin’ny 1m ny alaliny na 5 ka hatramin’ny 10 m3 ny rano ao amin’ny faritra misy azy io. Niezaka namboly rofia i MBOLA Albert teo amin’ny taniny, ao amin’ny sahandriaka Ambiovio noho ny fahatsapany fa mitazona ny tany tsy ho kaohan’ny riaka sy mitazona rano ny rofia.  Tany amin’ny taona 2000 no nanomboka namboly rofia sy kininina ary manga izy. « Ny vokatra azoko tamin’ny fambolena rofia dia tsy nokaohan’ny riaka intsony ny taniko, tonga teny amin’ny tanimbary ny rano. Nahazo rano tsotra fa tsy ranontany ny tanimbary », hoy hatrany ity tantsaha ao Ambalambaksiny ity. Fangatahan’ireo tantsaha ao Ambalambakisiny ny hanomezana azy zanakazo rofia mba hiverenan’ny rano tahaka ny tany aloha. Anisan’ireo fokontany iasan’ny tetikasa PADDI (Progamme d’Appui au Développement Durable Intégré) izay iantsorohan’ny GIZ ao Ambalambaksiny. Ao anatin’ny sahan’asa ho tanterahan’ny tetikasa ny fanajariana ireo tontolo mamokatra. Kaominina 19 manodidina faritra arovana miisa efatra (4) ao amin’ny faritra Boeny sy Diana ( Ankarafantsika, ankarana , Analamerana, Montagne d’Ambre) no misitraka ny tetikasa. Hampihenana tsindry mahazo ireo faritra arovana no tanjon’ity fandaharan’asa ity. Nanomboka ny volana jolay 2024 ny PADDI ka hatramin’ny volana jona 2027 ny PADDI. Mamatsy vola ny tetikasa ny ministera federaly alemana misahana ny fiarahamiasa ara-ekonomika sy ny fampandrosoana (BMZ).
Ra-Nirina



