Socio-eco

ALA HONKO AMPASIVELONA – AMBILOBE: Efa miverina tsikelikely noho ny fisian’ny tanin-jana-kazo


Ripaka ny ala honko noho ny faharavan’ny orinasa. Antony goavana nahatonga ny mponina naka ny ala honko nanaovana saribao ny tsy fisian’ny asa ho fidiram-bola. « Noho ny faharavan’ny orinasa SIRAMA dia nanapaka sy nandripaka ny ala honko ireo mponina hanaovana saribao », hoy i Houssen, tomponandraikitry ny tanin-jana-kazo ao  Bedara, Ampasivelona, distrikan’Ambilobe. Izay indrindra no antony nanaovana an’ity tanin-jana- kazo ity hanoloana ireo hazo honko izay naripaka. Miisa 14.000 ireo zana-kazo honko amin’ity tanin-jana-kazo ao Ampasivelo ity. Miisa 1.000 no efa voavoly raha ny nambarany hatrany. Nanomboka ny taona 2021 ny tanin-jana-kazo ka misy karazany telo ny zanan-kazo toy ny honko lahy, honko vavy….  Tafiditra ao anatin’ny tetikasa AFAFI-Nord-AF izay vatsian’ny vondrona Eropeanina ( UE ) sy ny Ministera federalin’ny Alemana momba ny Fiarahamiasa ara-toekerena sy Fampandrosoana (BMZ) vola sady ao anatin’ny fandaharan’asan’ny PAGE2/GIZ ihany koa. « Nitontongana ny vokatra hazan-dranomasina mivelona amin’ny fisian’ny honko, toy ny makamba, drakaka, trondro. Raha 100 kilao isanandro ny  makamba  no azon’ny mpanjono iray ao anatin’ny iray andro tamin’ny taona 2000 dia tsy misy afatsy 40-50 kilao izany ankehitriny », hoy i Randrianasolo Felix, Filohan’ny federasiona ny mpanjono, Zone Batane. Efa mandeha tsikelikely ny fambolena ny honko noho ny fisian’ny tanin-jana-kazo. 80% no efa tafaverina amin’ireo hazo honko nisy nanapaka.  « Efa nihena ny mpandripaka ny honko satria  efa 5% sisa izany. Anton’izany ny fisian’ny polisin’ala, ny KMD mpampiatra ny dina. Nisy koa ny fanentanana ho an’ny mponina nandritra ny taona maromaro tamin’ny alalan’ny GIZ sy WWF. Nanome tosika ny GIZ  tamin’ny fanampiana amin’ny fanaovana an’ity tanin-jana-kazo ity, eo ihany koa ny fampiofanana », hoy hatrany i Houssen.

Nomarihan’i Houssen fa ilain’ny hazan-drano rehetra , toy ny trondro, makamba, drakaka…misintona entona  karbonika (CO2) sady mampihena ny entona mangeja hafanana ny honko. Miaro ny nofon-tany mba tsy ho kahon’ny rano ny nofo-tany ihany koa izy.

Ra-Nirina

Horonan-tsary:


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *