Socio-eco

AIRTEL : Ampahafantarina mandritra “Salon international des acteurs économiques » ny tolotra mety amin’ny mpandraharaha na orinasa vao niforona


Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 13 oktobra 2022 teny amin’ny CCI Ivato ny “Salon international des acteurs économiques » na SIAE.  Mandray anjara ary mpanohana ofisialy ny hetsika ny Airtel Madagasikara amin’ny  maha mpisehatra amin’ny lafiny fifandraisan-davitra  izay mitàna andraikitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena amin’ny firenena iray. Hetsika natao ho an’ny mpisehatra ara-toekarena ny SIAE ka hibahana kokoa ny fampahafantarana ny tolotra mety amin’ny mpandraharaha na orinasa.  « Tolotra ampahafantarin’ny Airtel mandritra ny hetsika ny FastConnect. Tolotra internet tsy manam-petra ary haingam-pandeha izy io ary mifandraika amin’ny fahefa-mividin’ny tsirairay », hoy Ratsimbarison Anna, tomponandraikitrin’ny serasera eo anivon’ny Airtel. Mety amin’ny orinasa na tetikasa vao niforona io tolotra io, araka ny fanazavany. Manana tolotra momba ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa amin’ny alalan’ny fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday ihany koa  ny Airtel Money. “Tombony amin’ny fampiasana Airtel Money ny fahafahana mikirakira vola tsy hita maso mba ialàna amin’ny tsy fandriam-pahelamana. Eo ihany koa ny fahafahana mikirakira vola na aiza na aiza aleha noho ny fisian’ireo cash point Airtel Money miisa 50.000 manerana an’i Madagasikara”, hoy izy. Ny 16 oktobra 2022 vao hifarana ny “Salon international des acteurs économiques ».

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *