Socio-eco

AGROECOLOGIE: Ho ampidirina ao anaty fandaharam-pibeazana


Ao anatin’ny vinan’ny ministera. Fanavaozana nentin’ny GSDM tao anatin’ny tetikasa PAPAM ny fampidirana ny “agroécologie” ao anaty fandaharam-pianarana. Sekolim-panjakana sy tsy miankina 6 tao Vakinankaratra nanaovana andrana nanomboka tamin’ny taom-pianarana 2018-2019. Kilasy faha-6 sy faha-5 no nahazo ny fiofanana momba ity teknikam-pambolena maharitra ity. Ho an’ny taom-pianarana 2018-2019, mpianatra 937 no nisitraka izany. Miisa 1947 ny taona 2019-2020 ary 1817 ny taona 2020-2021. Ireo mpampianatra no nampitana ny fiofanana ary izy ireo indray no nampita izany tamin’ny mpianatra. Manao fampiharana eny amin’ny saha sekoly izy ireo aorian’ny fianarana any an-tsekoly. Mpampianatra 63 no niofana momba ny “agroécologie” tamin’ny alalan’ny tetikasa PAPAM, eo ambany fitantanan’ny  ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana. Anisany mpisehatra amin’ny fanatanterahana ity tetikasa vatsian’ny  Agence Française de Développement (AFD) vola ity  ny GSDM. Nanomboka ny taona 2016 ny PAPAM. 4 taona ny faharetany fa niitatra tamin’ity taona 2021. Ho fanatsarana ny sehatry ny fambolena, fampitomboana ny vokatra ary fanatsarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha no fototry ijoroan’ny tetikasa. Ahafahana manatratra izany ny fampiasana ny “agroécologie” satria teknikam-pambolena mamerina ny tsiron’ny tany efa simba, mitaiza ny tany, mampitombo ny vokatra.

Ao anatin’ny anjara asan’ny GSDM ny  fanaovana ady sisika hampidirana ny agroécologie” ao anaty fandaharam-pianarana. Dieny mbola kely ireo ankizy dia efa mahalala ny teknikam-pambolena iatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ary afaka mampita izany any amin’ny ray aman-dreny. Hanairana sahady ny sain’izy ireo ihany koa fa sehatr’asa iray azo hivelomana ny fambolena. Miara-miasa akaiky amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny GSDM. Nambaran’ny tale misahana famolavolana ny fandaharam-pibeazana (DCRP), Rakotovololona Elikanto fa hita ny fahombiazan’ny tetikasa PAPAM. “Ho atao miandalana ny fampidirana ny lohahevitra ny agroécologie anaty fandaharam-pibeazana”, hoy izy.  “Ao anatin’ny  fanavaozana , fitondrana fanatsarana ireo vontoatim-pampianarana ao anaty fandaharam-pibeazana amin’izao fotoana izao ny ministera. Fotoana hampidirana izany izao”, araka ny fanazavany. “Mifandray amin’ny lohahevitra maromaro, fikajiana ny tontolo iainana, fanatrarana ny tanjona lovainjafy” rahateo ny “agroécologie”. Nohamafisiny fa “ao anatin’ny vina, fanatanterahana izany tanteraka ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN) mba ho ampiharina anaty fahalalana omena ny mpianatra ny “agroécologie”. Marihina fa nitombo 6 ireo sekoly tao Vakinankaratra nanaovana andrana noho ny fisian’ny tetikasa Manitatra II, sahanin’ny GSDM ihany. Sekoly 8 ao amin’ny faritra Boeny ihany koa no ampianarana ny “agroécologie” tao anatin’ny taom-pianarana roa farany teo noho ny fiarahamiasan’ny GSDM sy ny GIZ tamin’ny alalan’ny tetikasa ProSol.

Lynda A.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *