Tsy masomboly ihany no olana ho an’ny tantsaha fa eo ihany koa ny fahasimban’ny tany, ny tsy fahampian’ny tany ambolena, ny tsy fahampian-drano. Fomba iray mahomby hamahana izany sy irosoana any amin’ny fahavitantena ara-tsakafo, izay vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana malagasy, ny “agroécologie”. Maro ireo tetikasa nampiharana ity fomba fambolena maharitra ity sy ny fikarohana momba azy natao teto Madagasikara. Nifampizara ny traikefa, ny fomba fanao tsara sy ny sakana ary ny vahaolana iatrehana izany ireo mpisehatra voakasiky ny “agroéologie”, toy ny fikambanan’ny tantsaha, ny tantsaha, ny tomponandraikitr’ireo tetikasa, ny sehatra tsy miankina sy miankina amin’ny fanjakana ary ny mpikaroka, nandritra ny atrikasa “Interface Recherche et Développement”, nokarakarain’ny GSDM, fikambanana matihanina amin’ny “agroécologie”, ny 20 sy ny 21 febroary 2025, tao Antsirabe, tamin’ny alalan’ny ALEFA- tetikasa manohana ny famokarana tantanam-pianakaviana hiampita any amin’ny “agroécoogie” sy SANUVA – tetikasa manohana ny tantsaha ao Vakinankaratra amin’ny resaka fahampian-tsakafo sy fanatsarana ny fanjarian-tsakafo. Nambaran’ny Tale misahana ny toekarena sy ny sosialy ao amin’ny faritra Vakinankaratra fa misedra olana ny tantsaha ao an-toerana satria mihena ny hatsaran’ny kalitaon’ny tany noho fikaohan’ny tany. “Fomba iray ahafahana miatrika izany ny fampiharana ny “agroécologie” satria mampiasa ny teknikam-pambolena manatsara ny nofon-tany, miady amin’ny bibikely mpanimba voly, mampihena ny fampiasana simika”, hoy izy nandritra fandraisam-pitenenany tamin’ny fanokafana ity atrikasa fampihaonana ireo mpisehatra amin’ny fikarohana sy ny fampandrosoana, ny tantsaha sy mpisehatra amin’ny fanapariahana ny “agroécologie” eto Madagasikara.
Manatsara ny fanjarian-tsakafo ho an’ny ankizy

TETIKASA ALEFA: Voly vary sy fiompiana trondro
Tsy mijanona amin’ny habetsahana ihany ny fahavitan-tena ara-tsakafo fa toko efatra no mandrafitra azy, ao anatin’izany ny fampitomboana ny vokatra, ny fahazoana sakafo na fahafahana mividy sakafo tsy vokarina, ny fampiasana karazana sakafo (sakafo maroloko) ary ny fahaizana mitahiry ny vokatra mba ahafahana miavotra mandritra ny maitso ahitra. Ho an’ny tetikasa ALEFA dia mampiasa ny fomba fambolena maharitra amin’ny fambolem-bary toy ny voly vary ampiavdiana amin’ny fiompiana trondro, ny fampiasana voly rakotra, ny fampivadiam-boly…“Rehefa asiana akora simika ao anaty tanimbary dia mitsaoka ny trondro. Noho izany, teknika agroécologie ny fambolem-bary sy fiompiana trondro miaraka satria, voalohany, kely ny zezika sy fanafody simika ampiasaina. Faharoa, mampitombo ny vokatra azo eo an-tanimbary. Fahatelo, mitana anjara asa lehibe amin’ny fitomboan’ny vary ny carpe satria rehefa mivezivezy ao anaty tanimbary izy dia mihinana ireo ahi-dratsy sy bibikely mpanimba voly. Tsy vitan’izany fa mivadika zezika iny bibikely nohaniny iny avy eo”, hoy i Philippe Martel, Mpitarika ny tetikasa ALEFA. Nambarany fa eo amin’ny 10 % ka hatramin’ny 20 % eo ny tahan’ny fitomboan’ny vokatra, arakaraky ny tranga. Tafiakatra 3,3 taonina isaky ny hektara ny voka-bary raha toa ka 3 taonina ny salan’isa ary mahatratra 200 ka hatramin’ny 300 kilao ny trondro. “Tsy be dia be ny vokatra fa raha mahazo trondro 30 kg izany dia mitentina 450.000 Ariary ny vidiny raha avadika vola. Efa misy lanjany izany amin’ny famokarana tantanam-pianakaviana”, hoy izy. Ankoatran’izay, mandray anjara betsaka amin’ny fanamafisana ny fanjarian-tsakafo ity fomba famokarana ity satria mitondra proteina tsara kalitao ny trondro, tena ilain’ny ankizy amin’ny fitomboany, araka ny fanazavany. Efa-taona ny faharetan’ny tetikasa ALEFA (2022-2025). Miara-miasa amin’ny fanatanterahana azy ny APDRA, ny GSDM, ny Coeur de forêt ary ny FIFATA. Tantsaha miisa 3000 avy amin’ny faritra Atsinanana, Itasy ary Vakinankaratra no misitraka ny tetikasa.
Mampihena ny fotoanan’ny maitso ahitra

Voly vary zanatany: Mampihena ny maitso ahitra
Vanim-potoana sarotra ho an’ny tantsaha ny “maitso ahitra”. Fomba iray hampihenana izany ny fampiharana ny “agroécologie”. “Ho an’ny tantsaha eto amin’ny faritra Analamanga dia tsy maintsy mividy vary rehefa maitso ahitra. Lasa nihena roa volana ilay tsy fahampiam-bary rehefa nampiasa ny voly vary zanatany”, hoy i Andriamampandry Etienne, tomponandraikitry ny fiaraha-miombon’antoka ao amin’ny tetikasa OSDRM (Organisation pour le Soutien du Développement Rural à Madagascar), misahana ny tetikasa SANIDA (Sécurité Alimentaire et Nutrition par l’Intensification et la Diversification Agroécologique). Teknika miezaka manapariaka eo amin’ny tantsaha ny fomba hampitomboana ny voka-vary ny voly vary an-tantety na SRZ (Système de riziculture Zanatany). Tsy mijanona amin’ny famokarana vary fa manome lanja ny voly hafa. Mampiasa ny fomba fanao latsa-boa(semi-direct) rehefa mamboly vary fa tsy manao ketsa intsony fa tonga dia voa ary mampiasa ny akora voanjanahary eo amin’ny zezika sy fanafody, toy ny kaomposta, ny ady gasy. “Mifototra amin’ny agroécologie ny SRZ. Manao fifampidimbiasam-boly sy fampivadiam-boly. Ny voly vary azo ampiarahana amin’ny voly hafa na association na rotation de culture. Atao izay hampihena ny asan’ny tantsaha izay mandany vola satria rehefa manao voly rakotra na manisy voly hafa eo amin’ny tany dia iezahana atao kely ny fiasana ny tany fa atao lavadavaka.”, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa. Raha ny vokatra azo nandritra fampiharana ny SRZ tamin’ny faritra valo (8) teto Madagasikara (Sofia, Diana, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Analanjirofo, Melaky) dia tafiakatra 4,8 taonina isaky ny hektara raha toa ka 2,7 taonina isaky ny hektara ny salan’isa. “Niakatra ny karazana sakafo ho an’ny tantsaha, niakatra vary ary nanatsara ny voly hafa toy ny tsaramaso fraise ny fanaovana ny teknika”. Nohamafisin’ny tomponandraikitry ny tetikasa fa tsy mifidy masomboly ny SRZ fa afaka atao masomboly efa misy eo an-toerana. “Izahay ao anatin’ny sehatry ny fampandrosoana dia miezaka mampiditra masomboly nohatsaraina. Izany no asan’ny fikarohana sy ny fampandrosoana”, hoy izy. Hita ihany koa fa mahavonjy ny tantsaha amin’ny fahataran’ny orana ny teknika satria mampiasa zava-maitso manatsara sy manamando ny tany, araka ny fifampizarana nataon’ny tetikasa SANIDA nandritra ny atrikasa “Interface Recherche et Développement”. Tsara mampatsiahy fa nanomboka ny taona 2012 no novelarina ity fomba fambolena maharitra. Mahatratra 70.000 ny mpisitraka.
Lynda A.