Socio-eco

ADY TANY AO MAMPIKONY –PORT BERGÉ: Mponina 3000 isa mitsaoka any anaty ala noho ny fanenjehana ataon’ireo milaza ho tompon-tany


“Vehivavy iray no teraka kambana  tsy tonga volana tany anaty ala. Mponina 3000 isa no miafina any anaty ala. Tafakatra 39 ny olona naiditra am-ponja vonjimaika. Betsaka ny ankizy no tsy mianatra. Ao no voadaroka sy voavono. Mitombo ny vaky trano”. Ireo rehetra voalaza ireo no vokatry ny fanenjehana  ataon’ireo zandary noho ny ady tany mampifanolana  ireo mponina nanajary ny tany atao hoe “Lot de colonisation Port Bergé, lot 41” ao anatin’ny distrikan’i Mampikony sy Port Bergé, faritra Sofia sy ny orinasa COTONA Real Estate (Vondrona SOCOTA) milaza fa tompon-tany, araka ny fanazavan’ireo solontenan’ny mponina izay anisany nitsaoka ihany koa noho io fanenjehana io. Fokontany 10 (Ampampamena, Tsimijaly, Ampandroangisa, Tsararivotra, Andranomadio, Sarodrano, Antsiraka, Antsaronala, Ankijanamanga, Antanakova) no voakasik’izany. Raha ny zava-misy dia tany nisoratra tamin’ny voanjo antsoina hoe Wickert Michel io tany io.  Raha vakiana anefa ny “certificat de situation juridique” dia efa lasan’ ny orinasa COTONA ny tany ary niova anarana sy laharana toy ny 990-DT, ny 13 DT ary ny 12-DT. Tsy mazava arak’izany hoy ireo solontenan’ny mponina no nahazoan’ny orinasa COTONA ny tany sy  nahazoany titra. Izany indrindra no nahatonga ny fokonolona hiady ny tany satria efa an-taonany maro izy ireo no nanajary ny tany taorian’ny fananjanahantany.

Tsy nanaraka ny didim-pitsarana ny mpitandro filaminana

Efa  nanomboka ny taona 2012 ity ady tany ity ary efa niakatra fitsarana ny raharaha. Nahazo rariny ny fokonolona fa afaka mampiasa sy mamboly ny tany. Mbola nanamafy izany ny didim-pitsarana nivoaka tamin’ny 7 aprily 2021, laharana 187 navoakan’ny fitsarana tao Mahajanga fa afaka manohy mamboly  ny fokonolona ao Andranomadio, Antsiraka,Tsararivotra, Sarodrano, Ampampamena ary Ampandroangisa. Ny 7 desambra 2021 anefa dia tonga tao amin’ny fokontany Antsiraka, Saronala, Andranomadio  ny zandary niaraka tamin’ny “tracteur” enina (6) ary nanimba ny volin’ireo fokonolona, araka ny fitantaran’i Andriatsiafajato Zozo Appolinaire, avy ao amin’ny fokontany Antsiraka. Nambarany fa nisy ampahana fokonolona nokaramain’ireo milaza fa tompon-tany ka nifandona tamin’ny fokonolona mampiasa ny tany tamin’io fotoana io. Raikitra ny fifandonana ka nandamina izany ireo zandary. Teo anelanelany teo dia nisy “tracteur” may. Tsy fantatra hoy izy na niniana nodoroana ilay “tracteur” ary “tsy fantatra ihany koa hoe iza no nandoro azy”. Iray volana sy tapany taty aoriana anefa vao nisy fisamborana noho ireo “tracteur” may. Ny 18 janoary 2022 no tonga tao amin’ireo fokontany ireo ny zandary miisa 120 hisambotra”, hoy i Letombo Jean, Sefo fokontany teo aloha ao Tsimijaly. Araka ny fanazavany dia noesorina tsy ho sefo fokontany ny tenany noho io raharaha ady tany ity satria miaraka miady amin’ny fokonolona nanajary ny tany.

Manoloana izany dia miantso vonjy amin’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry ireo fokonolona ao Mampikony sy Port-Bergé  hijery akaiky ity raharaha ity fa efa ho iray volana sy tapany izy ireo no niafina any anaty ala noho ny fanenjehina azy ireo. Nambaran’izy ireo ihany koa fa nampanantena  ny Prezida Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitra nandritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo fa hanome azy ireo ny tany vao lany eo. Mitaky  ihany koa ny fivondronan’ny fiarahamonimpirenena  ny hampitsaharana ny fanenjehana ireo fokonolona. “Mangataka izahay ny hampitàn’ny sampandraharahan’ny fananantany ao Mampikony avy hatrany any amin’ny fitsarana ny antontan-taratasy rehetra  nahazoan’ny COTONA titra”, hoy Raparison Eric, mpandrindra Nasionalin’ny Sehatra iombonan’ny fananantany (SIF).  Ankoatra izany dia mangataka ny hampiharana ny lalàna sy ny fanjakana tan-dalàna momba ny heloka sy ny tsy mety rehetra nataon’ny zandary sy ny mpitandro filaminana tamin’ity ady tany ity ireo fiarahamonimpirenena. Tombanana ho 5000 taonina ny vary tokony ho vokatra tamin’ireo tanimbary nosimbaina tamin’ny “tracteur”. Mangataka ny hamerenana izany amin’ireo fokonolona niharam-pahavoazana ihany koa izy ireo. Anisany heloka ny fanimbana ireo voly kanefa maninona no tsy misy ny fisamborana ireo nahavanon-doza? Natao hiaro ny vahoaka sy fananany tokoa ve ny mpitandro filaminana? Mbola tsy nisy lalàna mamaritra ny famerenana ny tany misoratra amin’ny voanjo koa nahoana no misy orinasa mahazo titra amin’izy ireny?

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *