Socio-eco

ADY AMIN’NY VALALA : Hanamora ny fahazoana vaovao sy fanomezana vahaolana haingana ny fiarahamiasa amin’ny Airtel


Fitaovana maharitra. Tao anatin’ny 20 taona niadiana tamin’ny famongorana ny andiam-balala teto Madagasikara dia sambany no nisy ny laharana maitso ho ampiasaina amin’izany. Tanteraka izany noho ny fiarahamiasan’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana (MINAE) sy ny Airtel Madagascar. Ahafahan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny vondron’olona ifotony miady amin’ny valala (VOI- MV), ny mpisehatra tomponandraikitra rehetra sy ny komity mpandrindra iraisan’ny ministera amin’ny ady amin’ny valala (CCI-LA) mifandray, mandefa vaovao sy manome vahaolana haingana ny laharana maitso 033 65 111 11. Nanolotra karatra SIM miisa 1000 ho an’ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny ady amin’ny valala (IFVM, mpiasan’ny ministera, zandary  any amin’ny faritra misy valala, ny prefektiora,  ny Ben’ny tanàna, ny VOI-MV, ny tranoben’ny tantsaha…) ny Airtel. Rehefa miantso ny laharana maitso izy ireo dia latsaky ny 50 % amin’ny vidiny tena izy ny saran’ny antso ataon’izy ireo. «Ny ministera kosa no hiantoka ny saran’ny antso», araka ny fanazavan’ny Ministry ny fambolena sy fiompiana, Ramilison Harifidy nandritra ny lanonana fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny ministera sy ny Airtel, ny alakamisy 13 aprily 2023 teny Anosy. Nambarany fa dingana lehibe amin’ny famongorana ny valala ny fametrahana io laharana maitso io ary fitaovana maharitra.

Tanjona lavitr’ezaka

 Ho an’ny Airtel dia tafiditra ao anatin’ny paikady amin’ny maha orinasa tomponandraikitra (RSE) ny fifanomezan-tanana ny fanjakana amin’ny ady amin’ny valala. «Mandray anjara amin’ny ady atao amin’ny famongorana ny andiam-balala ny Airtel ho fisorohana ny fahapotehan’ny voly sy hanoanana. Handeha haingana ny ady amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia. Manana tahana fandrakofana ny tambazotra tsara ny Airtel ka hitondra ny fahaiza-manaony amin’ny ady amin’ny valala. Tsy hijanona amin’ny antso ihany izany fa hitohy hatrany amin’ny internet, ny fampiasana application», hoy i Kapuku Eddy, Tale Jeneralin’ny Airtel nanazava ny tanjona lavitra ezaka momba ny fiarahamiasa amin’ny MINAE. Mitarika hanoanana, tsy fandriam-pahalemana ny fahapotehan’ny voly vokatry ny firongatrin’ny andiam-balala. Izany indrindra no nahatonga ny governemanta malagasy nametraka ny ady amin’ny valala ho raharaha nasionaly. Natsangana ny CCI-LA tamin’ny desambra 2022 ahafahana mandrindra ny ady amin’ny famongorana ny andiam-balala. Ministera maromaro no mpikambana ao anatin’ny komity:  ny ministera misahana ny fambolena sy fiompiana, ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny famantarana ny toetr’andro, ny serasera, ny tontolo iainana, ny vola.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *