Socio-eco

ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO: Mifanohana ny Lions Club Ambohibao Laka sy Rotary Club Antananarivo Ivandry


Mitovy ny tanjona. Manana vatsy hiatrehana ny efatra  herinandro manaraka ny Akany Felana Maitso. Noho ny fiarahamiasa teo amin’ny Rotary Club Antananarivo Ivandry sy ny Lions Club Ambohibao Laka. Nahazo “céréales”  500 fonosana sy “nouilles instantannée” roa baoritra ireo ankizy 70 tazaina ao amin’ny ankany. Ny sabotsy 26 septambra 2020 teo no nanolorana izany. Nilaza ny Filohan’ny Rotary Club Antananarivo Ivandry, Ratsiraka Larissa fa manohana ny Lions Club Ambohibao Laka amin’ny fanampiana ireo zaza kamboty tazaina ao amin’ny akany sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. “Ho an’ireo zaza vao teraka ka hatramin’ny 24 volana ireo céréales ary ho an’ireo ankizy lehibe kosa ny nouilles”, hoy izy.

Lohahevitra noraisina tamin’ity asa soa ity ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. “Ampisehoana fa afaka miara-miasa ny fikambanana mpanao asa soa satria mitovy ny tanjona : fifanampiana amin’ny samy mpiara-belona”, hoy ny Filohan’ny Lions Club Ambohibao Laka, Andrianarijaona Rasolo Hary  nanazava ny antony fiarahamiasa teo amin’ny Rotary Club Antananarivo Ivandry sy ny fikambanana entiny. Nambarany fa “manan-jo hisakafo ny ankizy ka mba ahafahan’izy ireo misitraka izany ity fiarahamiasa ity”. Mandray ireo zaza kamboy ray sy/na reny,  zaza mirenireny naterin’ny mpitandro filaminana na fokontany, zaza nandalo fitsarana, zaza nanana fahasarotana ny reniny teo ampiterahana (nodidiana, tsy afaka mampinono), ankizy manana olana eo amin’ny fiarahamonina ny Akany Felana Maitso. “Ny taona 1994 izy no niforona ary ao amin’ny akany ireo ankizy no mianatra, miofana arak’asa”, hoy ny filoha mpanorina ny akany, Ramaromandray Lily.

Nirina R.


One comment on “ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO: Mifanohana ny Lions Club Ambohibao Laka sy Rotary Club Antananarivo Ivandry

  1. Pingback: ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO: Mifanohana ny Lions Club Ambohibao Laka sy Rotary Club Antananarivo Ivandry - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *