Hisy fiantraikany amin’ny famatsiam-bola ny tsy fandaniana ny lalà na 2019-015. Miantso ny tomponandraikitra rehetra amin’ny tokony fandaniana ny lalà na momba ny vondrona fanangonana harena azo amin’ny tsy marina ny « Comité pour la Sauvegarde de l’Integrité » (CSI), ny BIANCO, ny SAMIFIN ary ny PAC amin’ity fivoriana tsy ara-potoana ataon’ny Antenimiera roa tonta ity. Vondrona fahadimy amin’ny ady amin’ny kolikoly ity lalà na ity. Tsy tomombana araka ny tokony ho izy noho izany ny ady amin’ny kolikoly raha tsy eo io vondrona farany io, hoy ny filohan’ny CSI, Rabenarivo Sahondra. Andraikitr’io vondrona io ny maka ireo fananan’ny voaheloka izay azo avy amin’ny kolikoly na famotsiam-bola. Hisy ny fandrefesana ataon’ny iraisam-pirenena amin’ny volana jona 2019 ity ka raha sanatria  tsy lany io lalà na io dia hisy ny famatsiam-bola tokony ho azontsika any amin’ny sehatra samihafa no ho foanan’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena isan-karazany.
Ny taona 2004 no nanaovantsika sonia sy fanekentsika ny momba ny fametrahana ireo vondrona dimy  amin’ny ady amin’ny kolikoly. Teo anatrehan’ny firenena mikambana sy ny vondrona afrikana no nanaovana izany. Efa tamin’ny taona 2019 no namolavolana io lalana 2019-015. Nivoaka ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny volana jona 2019 ary nankatoavin’ny HCC tamin’ny volana jolay 2019. Tonga amin’izao fandaniana azy izao amin’ireo antenimiera roa izao.
Marihana fa notsipahan’ny antenimierandoholona io lalà na io ny 10 martsa 2018 lasa teo ka nahatonga ny CSI, ny BIANCO, ny SAMIFIN ary ny PAC nanao izao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izao ny 11 Martsa 2020.
Nirina R.