Socio-eco

ADY AMIN’NY KERE : fiatrehana ny hamehana, sy Fametrahana ny tetika lavitrezaka


Mifanindran-dàlana ny asa hiatrehana ny hamehana, indrindra fa ny fanampiana ny mponina marefo eo amin’ny lafiny sakafo sy rano, ary ny fametrahana ny tetika lavitrezaka hanafoanana ny kere.Faritra Androy sy Anosy ny Ministry ny rano, ny fanadiovana, ary ny fidiovana 2 Tany amin’ny Faritra Androy sy Anosy ny Ministry ny rano, ny fanadiovana, ary ny fidiovana, Voahary Rakotovelomanantsoa, ny 29 sy 30 desambra, nanara-maso ary nandrindra ny fizotry ny asa rehetra. Eo amin’ny lafiny fandaminana aloha dia nisongadina ny fanamafisana ny asan’ny CCO Kere, izay tarihin’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena miaraka amin’ireo Governora isam-paritra. Ny CCOK no mandrindra ny asa rehetra hiadiana amin’ny kere, na ho an’ny miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ny mpiara-miombon’antoka na eto an-toerana na avy any ivelany. Tamin’ny fivoriana natao tao Ambovombe dia nohazavaina tsara ny andraikitry ny CCOK eo amin’ny lafiny fandrindràna, ary nandray anjara ny Minisitra Rakotovelomanantsoa, ireo tompon’andraikitry ny CCOK ary ny solotenan’ny mpiantsehatra rehetra. Eo amin’ny lafiny fandaminana ihany dia nifampidinika tamin’ny mpiasan’ny AES ao Ambovombe ny Minisitra. Nisy ny fizarana ny vaholana eo amin’ny fampandehanan-draharaha ; voalaza ihany koa fa hahazo ny karamany mialoha ny faran’ny taona ny mpiasan’ny AES araka ny fanamby napetraka, ary nanamafy moa izy ireo fa hilofo manoloana ny asa takian’ny ady amin’ny kere. Faritra Androy sy Anosy ny Ministry ny rano, ny fanadiovana, ary ny fidiovana 1Ny fanampiana ny mponina ianjadian’ny kere no vava asa lehibe atrehin’ny mpiantsehatra rehetra. Mitohy ary hatsaraina ny fanampiana eo amin’ny lafiny ara-tsakafo, ny fizarana rano, ary ny momba ny fahasalama. Tonga nandray anjara tamin’ny fizarana sakafo ho an’ireo olona voasokajy ho tena marefo ao amin’ny fokontanin’i Berary, ao amin’ny kaominin’Ambovombe, ny Ministra ny talata 29 desambra. Ankoatry ny fizarana vary, katsaka voatoto, lafarina misy otrikaina, ary rano, dia nisy koa ny fizarana vilany, vilia sy sotro, ary dia nomena sakafo mafana ihany koa ireo ankizy madinika. Ny alarobia 30 desambra kosa dia tao amin’ny kaominin’Andranobory, ao amin’ny distrikan’i Tölagnaro, ary tao amin’ny fokontanin’i Embaritsiky, ao amin’ny distrikan’Amboasary ny Ministra ; nisy ny fizarana sakafo, menaka, sy rano ; toy ny tany Berary, any Ambovombe, dia nisy koa ny fizaham-pahasalamana maimainpoana ho an’ny mponina. Hitohy foana, isaky ny distrika voakasika any Atsimo, ny fizarana sakafo, rano, ary ny fizaham-pahasalamana hiatrehan’ny mponina ny kere.. Tsara ho marihina fa efa manomboka ankehitriny ny fametrahana ny banky misahana ny lafiny sakafo. Raha ny mikasika ny stratejia lavitrezaka hanafoanana ny kere, dia mitohy ny fanadihadiana isam-pianakaviana, hanangonana ny antontan’isa ilaina amin’ny fandrafetana ny stratejia. Izany anefa dia mifanindran-dàlana hatrany amin’ny fizarana sakafo ho an’ireo marefo.


One comment on “ADY AMIN’NY KERE : fiatrehana ny hamehana, sy Fametrahana ny tetika lavitrezaka

  1. Pingback: ADY AMIN’NY KERE : fiatrehana ny hamehana, sy Fametrahana ny tetika lavitrezaka - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *