Socio-eco

ADY AMIN’NY COVID-19: Zarain’ny GALANA “gel hydroalcoolique” ireo fitateram-bahoaka mividy solika eo aminy


Hiaraha-mahalala fa tsy ahitana “gel hydroalcoolique” intsony ireo fitateram-bahoaka “Taxi be” andro maromaro izay kanefa anisany hifamezivezen’ny ankamaroan’ny olona. Nandray ny andraikitra tandrify azy ny mpaninjara solika GALANA amin’ny ady atao amin’ity coronavirus ity. Mizara mamaimpoana “gel hydroalcoolique”  ho an’ny “Taxi be” rehetra mividy solika eo amin’ny GALANA manerana an’Antananarivo izy ireo. Efa nanomboka tamin’ny 18 Mey 2020 ka hifarana ny 31 Mey 2020. “Fandraisana andraikitra ataon’ny Galana ho fiarovana ny mpandeha, ny mpamily ary ny receveur amin’ny valan’aretina COVID-19 no tanjona amin’ity fizarana gel ity”, hoy ny tomponandraikitra.

Tsy voalohany izao hetsika ataon’ny GALANA izao fa efa nanao hetsika hetsika fanondrahana fanafody famonoana bakteria sy virus maimaimpoana ny fiara rehetra toy ny taxi be, camion, fiaran’olo tsotra ary ny moto. Nanomboka tamin’ny 04 Mey 2020 izany hetsika izany.

Ho fiarovana amin’ny fifindran’ny coronavirus dia ilaina hatrany ny manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana toy ny fanasana tanana matetika amin’ny savony, ny fanaovana arovava…

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *