Socio-eco

ACAT MADAGASCAR: Nihena ny isan’ny olona voaazona am-ponja vonjimaika


Nanao ezaka be ny fitondram-panjakana. Feno telo taona ny tetikasa “iadiana amin’ny fiazonana am-ponja vonjimaika tsy manara-dalàna”, sahanin’ny ACAT Madagascar (Actions des Chrétiens pour l’Abolition  de la Torture à Madagascar). Nanomboka tamin’ny taona 2017 ny tetikasa ka isan-taona dia manatanteraka atrikasa ny ACAT, hanaovana tombona ny asa vita sy  hamaritana ny fanatsarana tokony ho atao. Ny talata 03 sy ny alarobia 04 desambra 2019 teny Tsiadana no notanterahina ny atrikasa fahatelo, niarahana tamin’ny FIACAT (Fédération Internationale des Chrétiens pour l’Abolition  de la Torture) sy ireo mpisehatra eny anivon’ny fitsarana sy ny mpandraharahan’ny fonja ary ny fiarahamonimpirenena. Araka ny fanazavan’ny mpandrindra nasionalin’ny tetikasa “iadiana amin’ny fiazonana am-ponja vonjimaika tsy manara-dalàna” eto Madagasikara, Raherimiarantsoa Mamihaja fa  tamin’ny atrikasa  voalohany, nisy ny fiaraha-midinika sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fitantantana ny fiazonana am-ponja vonjimaika ary namaritana hoe: hatraiza no tsy ara-dalàna intsony ny fiazonana am-ponja vonjimaika olona iray?. “Androany atrikasa fahatelo, namaritana, inona vita tao anatin’ny telo taona, inona no atao mba hampaharitra azy”, hoy ny fanazavany, omaly 04 desambra 2019.
Ao anatin’ny paikady noresahana ny fanatsarana fiarahamiasan’ny mpiantsehatra rehetra mba “ialana faran’izay betsaka indrindra amin’ny fiazonana am-ponja vonjimaika, hahatonga antsika hahatanteraka tsara ny fepetra apetraky ny lalàna hoe: ny fahafahana no fitsipika, ny fiazonana am-ponja dia maningana”. Nivoitra tamin’ny fivoriana ihany koa fa tena ataon’ny fitondram-panjakana  vaindohan-draharaha amin’izao fotoana izao ny momba io fiazonana am-ponja vonjimaika io taorian’ny fanambaran’ny Praiministra Ntsay Christian tamin’ny volana jolay 2019 sy fanambaran’ny Prezidan’ny Repoblikan’i Madagasikara nandritra ny fitsidihana nataony teny  amin’ny fonjan’Antanimora farany teo ary ny toro-fanarenana azon’i Madagasikara tamin’ny “examen périodique universel”  tamin’ny 12 novambra 2019. Betsaka ny ezaka vitan’ny fitondram-panjakana hoy izy satria  ny volana oktobra 2019 ka hatramin’izao desambra 2019 izao  dia mitsimbadika ny tarehimarika raha ampitahaina ny olona miandry fitsarana sy ny olona voafonja. Nihena ny isan’ireo voaazona am-ponja miandry fitsarana raha toa ka nihoatra 54 % izany talohan’ny volana oktobra 2019. Nambarany fa tsy manara-dalàna ny fiazonana am-ponaja vonjimaika. “Ny fiazonan’olona  be loatra any am-ponja anie ka mavesatra ho an’ny tetibolan’ny fanjakana, misy fiantraikany  amin’ny olona maro”, hoy hatrany izy.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *