Socio-eco

AGENCE AMBININTSOA: Mpanampy an-trano miisa 300 notolorana valisoa


Mandray anjara amin’ny  fampananan’asa. Feno folo taona amin’ny voalohany ny volana janoary 2020 ny Agence Ambinintsoa. Tao anatin’izay fotoana izay dia mizara valisoa ho an’ireo mpanampy an-trano naharitra heritaona no mihoatra tamin’ny asany ity agence manampy ireo mitady asa toy ny asa an-trano sy ny maro hafa ity. Manana ihany koa orinasa momba ny fiarovana tanana. Isaky ny faran’ny taona no hanaovana izany. Toy ny mahazatra dia nisy ny fisarihana ho an’izay tsara vintana mahazo vola mitentina 100.000 Ariary. Ankoatra io loka be io dia nozaraina vera, akoho  ireo mpanampy nahafeno ny fepetra. Araka ny fanazavan’ny mpitantana  ny Agence Ambinintsoa, Ramahakotroka Asmine fa tanjon’izao hetsika izao dia ho famporisihana ireo mpanampy hanaja ny asany sy hampitombo ny fahatokisan’ny mpampiasa fa tsy araka ny vaovao miely fa miray “tsikombakomba” amin’ny mpanampy ny agence. Nambarany ihany koa fa tsy manana mpanohana ny orinasa entiny nanaovana izao fanomezana izao fa boatin-drakotra no nahafahana manao ny asa  sosialy. Mpanampy an-trano nisoratra anarana miisa 300 no nahazo valisoa. Amin’ny  maha sampana iray ao amin’ny agence an’ny GSPRO Security, orinasa momba ny fiarovana tanana dia nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpiambina tanana.

Anisany nahafantarana ny  agence Ambinintsoa eny Ambondrona ny tsy fangalàna vola amin’ireo mitady asa. Eo ihany koa ny fampiantranoana  sy  fanomezana sakafo maimaim-poana ho an’ireo mitady asa avy any lavitra mandra-pahitany mpampiasa ary ny fampiofanana ireo mpanampy  an-trano momba ny fahadiovana, fampiasana ny fitaovan-dakozia, fahaiza-miaina… Tsapa fa betsaka ny Malagasy tsy an’asa. Raha tarehimarika nomen-dRamatoa Ramahakotroka Asmine fa 90 isan’andro ny olona mitady asa ao aminy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *