Sport

60MN CHRONO: Fifaninanana karting atao etsy amin’ny Havoana Land Imerikasinina


Ho famaranana ny fotoam-pialantsasatra sy noho ny fangatahan’ny besinimaro dia mikararaka fifaninanana ho an’ny taranja « karting » ny Havoana Land. Hifarana ny 23 aogositra 2023 ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana  « 60mn Chrono ». Mitentina 200.000 Ariary ny saram-pisoratana anarana. Natao ho an’ny mpankafy ity fanatanjahantena mekanika ity ny lalao. Ekipa no hifaninanana ka afaka miovaova ny mpamily mandritra adiny iray. 15 taona no miakatra no afaka mandray anjara ary  tsy mihoatra ny enina ny isan’ny mpikambana ao anaty ekipa iray. Ny toeram-pilalaovana karting an’ny Havoana Land, eny Ambohimalaza Imerikasinina no hantantarehana ny fifaninanana. Ny 26 aogositra 2023 ny lalao fifanintsanana ary ny 02 septambra 2023 ny dingana manasa-dalana sy famaranana.

“Mampiavaka ity andiany voalohany ny fanatanterahana ny lalao amin’ny alina sy ny fisian’ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Samoela”, hoy i Ratsimba Heritiana, tomponandraikitra ao amin’ny Havoana Land, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 17 aogositra 2023. Loka maro no zaraina ho an’ireo mahavita “tour” be indrindra mandritra ny 60 minitra. Anisany hanome loka amin’izany ireo mpanohana ny lalao toy ireo orinasa manaparitaka ny menaka Elf, menaka Benzol, ny zava-pisotro Pepsi…Tsy adino ihany koa ny Jovena, Oceantrade, Henika Sarlu.  Maimaim-poana ny fidirana ho an’ireo mpankafy te hijery ny lalao  fifanintsanana. Handoavam-bola, 20.000 Ariary kosa mandritra ny lalao famaranana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *