politique

Eric Guanomad: Hikôtikôty vehivavy


Hifarana ny Talata 21 Aogositra 2018 ho avy izao ny fanaterana ny antonta-taratasy filatsaha-ko fidiana ho filohampirenena izay hatao amin’ny 7 Novambra 2018. Olona faha 19 nanatitra izany teny amin’ny fitsarana avo momban’ny lalampanorenana (HCC) i Eric Guanomad. « Eny fa roso, sahia manova » no teny filamatra entiny amin’izao firotsahany izao.

Efa vonona amin’ny vinam-piarahamonina miainga avy eny ifotony », hoy Eric Guanomad. Mampiavaka sy mampisongadina azy, ny fanomezana hasina ny vehivavy Malagasy fa tsy atao haingon-trano fotsiny. Ampiana amin’ny asa sy ny tetikasa isan-karazany.

Eo ihany koa ny fanampiana ny tanora. Tsangan-kevitra no tokony hironan’ny fifidianana fa tsy tsangan’olona fa raha mifanohitra amin’io no mitranga dia mbola hitohy hatrany ny fahatrana, hoy hatrany izy. Natolotry ny Malagasy Miray sy Mifankatia (MAMIMI) izy.

Fa ankoatra ireo rehetra ireo dia paik’ady hafa mihitsy no entiny amin’izao fandraisana anjara amin’ny politika izao dia ny fikôtikôtiana ireo vehivavy… Ny vehivavy eto Madagagasikara no tena andrin’ny fampandrosoana, hoy izy, ka ny fanomezana vahana ny vehivavy no tena imasoany…

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *