politique

Ban Ki-Moon : « Tongasoa lehiroa »


Nigadona teto Antananarivo io hariva io ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana, Atoa Ban Ki-Moon    mivady.    Tonga    nitsena    azy    teny    amin’ny    seranam-piaramanidina   Ivato    tamin’izany fahatongavany eto amintsika izany moa ny Filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina mivady, ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana ary ireo Minisitra mpikambana ao  amin’ny  governemanta.  Tonga  teny  an-toerana  ihany  koa  ireo  lehiben’ny  andrimpanjakana rehetra  misy  eto  amintsika.

Raha  tsiahivina,  famaliana  ny  fanasana  nataon’ny  Filoha  Malagasy  izao fitsidihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana eto amintsika izao. Rahampitso no ho raisin’ny  Filoha  Rajaonarimampianina  Hery  eny  amin’ny  lapam-panjakana  Iavoloha  ity  vahiny  manan-kaja ity  ary  hisy  ny  tafa  hiarahana  amin’ny  mpanao  gazety  aorian’izany.  Mandritra izao  fandalovany  izao ihany   koa,   hiaona   amin’ny   Filohan’ny   Antenimierampirenena   sy   ny   Filohan’ny   Antenimieran-doholona ity Sekretera Jeneralin’ny ONU ity. Amin’izany fihaonana eny amin’ny lapa eny Anosy izany no   hanaovany   ny   tatitra   mikasika   ny   « Prix   de   la   Faim   à   Madagascar ».

Hihaona   amin’ireo mpiaramiombon’antoka  amin’i  Madagasikara  eto  ihany  koa  ity  farany  rahampitso,  ireo  mpisehatra ao amin’ny sehatra tsy miankina, miasa momba ny mahaolona ary ny fiarahamonim-pirenena miasa momba  ny  zon’olombelona.  Ankoatra  ireo  fihaonana  ireo,  hitsidika  ireo  toerana  misy  ny tetikasa vatsian’ny  Firenena  mikambana  ihany  koa  Atoa  Ban-Ki-Moon  mivady.

Raha  tsiahivina,  taorian’ny fandalovan’i  Kofi  Annan  tamin’ny  taona  2006,  i  Ban  Ki-Moon  no  Sekretera  Jeneralin’ny  Firenena mikambana    faharoa    nandalo    teto    Madagasikara.    Isan’ny    tanjona    amin’ny    fiarahamiasan’i Madagasikara  amin’ny  firenena  Mikambana  moa  ny  hampihenana  ny  tahan’ny  fahantrana  ho  40% hatramin’ny 2019 raha toa ka 52,7% izany tamin’ny taona 2012


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *