Socio-eco

ZARIDAINA ANOSY : Notolorana tamin’ny fomba ofisialy


Androany 07 martsa 2018, nandeha nijery ifotony ny zaridaina eny Anosy sy Mahamasina ny Filoham-pirenena Malagasy, Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Nanaraka azy teny ny mpikambana ao amin’ny governemanta vitsivitsy sy ireo olom-panjakana. Ho fanatsarana ny endriky ny tanana an’Antananarivo renivohitra, nohavaozina, nohatsaraina ary nampiana io zaridaina io. Ny Ministera eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena,ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana (M2PATE ) no nandray an-tanana ny famitana ny asa. Toromarika nomen’ny filoham-pirenena ny hanatsarana manodidina an’ny biraom-panjakana ka izao tanteraka izao.
Tamin’ny volana novambra 2017, ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana no nanajary ny zaridaina teo Anosy ka nametraka foto-drafitra asa ahafahan’ny ankizy milalao. Ny M2PATE kosa no nanohy ny fanatsarana ny manodidina ny farihin’Anosy. Toeram-pilalaovan’ny ankizy, toerana filalaovana tsipy kanetibe, “skate board” hita eny amin’ny zaridaina Anosy. Nohatsaraina ihany koa lalana mankeny amin’ny “anjely mainty” sy ny zaridaina telo ao Mahamasina.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *