Edito

Vonoy daholo mba hilaminana…


1975….Indray andro, hono, teny Ambohijatovo ambony teny dia nisy ny famonoana ny filoham-panjakana teto amin’ity tany ity. Bala maromaro no nandady ny vata-tenany tamin’io andro io. Tao anatin’ilay fiara Peugeot 404 miloko mainty (mainty toa azy?) no nitrangan’ny ra mandriaka.

.
.
Kômandô voafantina sy mpanao vy very ny ainy avy tamin’ilay GMP (Groupe mobile de police) no nanao ny “asa mahafaty” toa an-dry Zimbo, Mara Seth, Laza Petit Jean, Maurice Alphonse, Boto…
.
Vita “natavy “ teo an-tany fiadiana tamin’iny andro iny ihany koa i Zimbo sy Mara Seth. Dia mba nilaza ny “marivo salosana” sy ny mpandika vilana fa toa mitovitovy an’ilay nanjo an’i John F Kennedy tany Amerika tamin’ny 22 novambra 1963 iny “indray andro, hono-n’ny Gasy” iny…
.
Poa toa izay dia indreo fa niharihary ho hitan’ny rehetra fa nitsangana ny fahefana tetezamitan’ny foko valo ambinifolon’ny Gasy, izay notarihin’ny Jeneraly Andriamahazo. Tsy maintsy ny foko 18 no natambatra tamin’ny fomba mailamailaka satria marefo ny hoza-dohan’ireo “mpamono olona”.
.
Tsy maintsy naseho ho hitan’ny rehetra fa mahay miatsaravelatsihy ao anaty fitondrana iaraha-mitantana ny Gasy erak’ity Nosy ity. Iza no tao ambadiky ny ridao? Iza ireo maivan-doha tsy mahalala izay tany asiana ny tongony? Iza no tsy mahalala fa resaky ny mpandany andro ny fiaraha-mitantana (baikon’ny sehatra any ivelany) tamin’izany ?
.
.
Ny 21 martsa 1975 ihany dia efa natao ny haingon-tsehatra rehetra fa mba hikaroka “ireo” izay nahavanon-doza ny Gasy.
 
“Raha Andrian-dray aho, raha Andrian-dreny dia mba avohay ho hitan’ny voamasoko izay rehetra mpiketrika ny zava-doza teto amin’ity tany ity”. Izany angamba no tany anatin’ny tsikalam-pieritreretan’ny Gasy tamin’izany?…
.
.
Saingy indrisy fa na dia nijoro teo anoloan’ny hazomeloka daholo aza ireo oloben’ity tany ity toa an-dry Tsiranana, Resampa, Rabetafika, Rajaonarison…sy ny maro hafa, dia nitsaha-niketrika ny “fampisehoana” satria nifarana maimaina foana teo izany ny 12 Jona 1975.
.
30 no noafahana, ny sisam-paty tamin’ireo kômandô no nivantana tany amin’ny fonja fa ilay /ireo tompon’antoka dia nangatsiakiaka hatramin’ity ny anio.
.
Izay rehetra maty ho an’ity tany ity ve dia mbola ho velona ao ampon’ny vahoaka Gasy tokoa? Mbola ilaina ve ny hahatsiahy izany rehetra izany?
 
Inona izao no tombony azo tamin’ny famonoana ny filoham-panjakana? Efa tsy miady intsony ve ireo Merina nateraky ny mainty enin-dreny sy ireo komohina mihevitra ho ambony razana? Efa nilamina tamin’ny fananganna ny tetezamitan’Andriamahazo ve ny ady nampisaritaka ny anivon-tany sy ny an-tsiraka rehetra?
.
.
 
Mbola misy tokony hovonoina ve eto? Mbola misy fahavalon’ireo mpiatsaravelatsihy sy mpanao ny ampihimamba ny haren’ity firenena ity?
.
Mbola misy mpitondra fivavahana ve eto ka mahita tombony amin’ny fandripahana ny mpanelingelina azy?
Mbola misy andian’olona ve eto mitady hanompo ny mpaniraka azy ka tsy maintsy hamono sy handripaka izay tsy mihevitra afa-tsy ny ho an’ny Gasy?
.
Raha misy ireo rehetra ireo dia omen-jo izy rehetra hamono sy handringana ny Gasy, vonoy daholo dia hanjakao izay sisa tsy maty.
.
Aripaho sy potipoteho izany tombotsoan’ny firenena malagasy izany dia ny “mpaniraka” ihany tompoina. Ranito hatrany izay faran’ny bitika indrindra amin’ny faha samihafantsika. Aleo hifamango ny samy Merina, aleo hifanasa vangy ny mpiziva hatrizay, lazao amin’ny rehetra fa ireo komohina mihevitra ho avo razana ihany no tompon’ity tany.
.
Aza asiana Rainibetsimisaraka intsony eto. Poteho ry Rabozaka sy Rabezavana, aza avela hiseho intsony ry Ratsimandrava fa mpanelingelina…
.
.
Ony RAMBELO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *