Socio-eco

VEHIVAVY MPANDRAHARAHA (GFEM): Miha matihanina hatrany


Seha-pihariana roa no nampiofanina ireo vehivavy mpandraharaha ao amin’ny fikambanana GFEM (Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar) ho fampiroboroboana ny indostria momba ny sakafo  (agro-industrie) any amin’ny faritra.  Momba ny fanodinana voankazo sy ny famokarana vary ny fiofanana ataon’izy ireo, izay nanomboka ny 11 martsa ary hifarana ny 14 martsa 2019, eny amin’ny La Rotonde Besarety, Antananarivo. Tapan’ny faharoa amin’ny fandaharan’asan’ny  GFEM ity fampiofanana ity ka ny PROCOM no manohana izany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Fanja Razakaboana. Mbola hijanona amin’ny famatsiana ny tsena anatiny  ny vokatra ho vokarin’ireto vehivavy ireto, hoy hatrany i Fanja Razakaboana.  Nambarany ihany koa fa ny hahatonga  ireo vehivavy ireo ho matihanina amin’ny lafiny famokarana, fanodinana sy ny famarotana ny vokatra no tanjon’ny fampiofanana.

 Etsy andaniny, hahaleo tena ara-bary i Madagasikara amin’ny 2020, araka ny paikadim-pirenena amin’ny fambolem-bary. Ao anatin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vary sy hahatratrarana io tanjona io ity fampiofanana ity, hoy i Mina Randrianarisoa, mpampiofana momba ny fambolem-bary vary. Nilaza ihany koa izy fa mbola malalaka ny tsena ho an’ny vary “riz de luxe” ka ho resahana bebe kokoa mandritra ny fiofanana izany. Etsy ankilany izay kosa dia nanazava i Jean Luc Randrianarisoa, mpampiofana momba ny fanodinana voankazo fa  sady mampihena ny voankazo simba sy very mandritra ny fotoam-pahavokarana no mampidi-bola ny ny fanodinana voankazo ho vokatra hafa toy ny “confiture”, voankazo hamainina.

Ankoatra izany, nahazo tombony ireo mpiofana satria nanasa manam-pahaizana momba ny “business plan” ny fikambanana GFEM  ho hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy mpandraharaha amin’ny fananganana tetikasa sy  mba hampahomby izany. «Rehefa vita ity fiofanana ity dia efa manana drafitra ho entina hanatanterahana ny tetikasany ireo mpiofana toy ny fitaovana sy ny vola ilaina… ny dingana rehetra ho  lalovana », hoy ny manam-pahaizana momba ny « business plan », John Harivero.

Lynda A.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *