Socio-eco

VATSIM-PIANARANA MANKANY « GRANDE BRETAGNE » : Manomboka ny fandefasana dosie


Feno 200 taona ny fiarahamiasan’i Madagasikara sy i Grande Bretagne. Ho fanamafisana hatrany izany fiarahamiasa izany dia manana anjara amin’ny vatsim-pianarana « chevening » ahafahana mianatra any amin’ireo oniversite britanika ny Malagasy. Efa manomboka ny fandefasana dosie ho an’ny taom-pianarana 2018-2019 ka amin’ny alalan’ny tranokala www.chevening.org no hanatanterahana izany. Ny 6 novambra 2018 no mikatona ny fisoratana anarana. Nanomboka tamin’ny 2005 no nanome vatsim-pianarana ho an’i Madagasikara ny governemanta britanika. Niato kely izany noho ny krizy teto amin’ny firenena ary niverina indray ny taona 2015. Miisa 1000 teo ny Malagasy nandefa efa dosie. Araka ny fanazavan’ny maintimolaly nahazo ny vatsim-pianarana taona 2016 – 2017, Estelle Ratoandrosoa fa vatsim-pianarana ho an’olona 10 no omen’ny governemanta britanika ny Malagasy isaky ny taom-pianarana.

Fepetra

Hiantohana avokoa ny saram-pianarana, ny hofan-trano, saram-pitaterana mankany Grande Bretagne, ny tambin-karama fahatongavana sy fiverenana, saram-pikarakarana Visa…ho an’ireo voafantina. Natokana ho an’ireo te haka diplaoma “Master” amin’ny lalam-piofanana misy any amin’ireo oniversite any Grande Bretagne ny vatsim-pianarana “chevening”. Herintaona ihany no mianatra. Tsy mifidy taona izy ity fa mila manana ny diplaoma “Licence” no miakatra fotsiny. Mitaky fifehezana ny teny anglisy ihany koa ny vatsim-pianarana satria fepetra takiana rehefa voafantina fa hisitraka ny vatsim-pianarana ny fanaovana “test” momba ny fifehezana ny teny anglisy. Ireto avy ny “test” manankery : IELTS académique, Pearson PTE Academic, TOEFL iBT, C1 Advanced (anciennement Cambridge English: Advanced [CAE]), Trinité ISE II (B2). Nampahafantatra bebe kokoa ny momba ity vatsim-pianarana ity ny fikambanan’ny maintimolaly Malagasy nahazo ny vatsim-pianarana chevening (Chevening Alumni Madagascar) omaly 27 septambra 2018. Ho an’ireo tsy tonga nitsidika izany teny amin’ny Carlton Anosy dia tsidiho ny tranokala www.chevening.org raha mila fanazavana fanampiny.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *