Socio-eco

UDITEC: Fizarana loka ho an’ireo tsara vintana tamin’ny lalao momba ny marika TRUST


Maharesy lahatra ny mpanjifa. Noho ny fetin’ny noely sy faran’ny taona, nikarakara lalao tao amin’ny onjam-peo miisa roa ny Uditec,  solontenan’ny marika Trust eto Madagasikara. « Nivahiny tao amin’ny RDJ sy Record  izahay ary niresaka momba ireo vokatra  Trust. Nisy ny fanontaniana napetraka taorian’izay ka  izay miditra mivantana mamaly fanontaniana roa dia mahazo loka”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra ara-barotra ao amin’ny Uditec, Christian Rasolomalala momba ny fizotry ny lalao. Mpihaino ireto onjam-peo ireto miisa fito no nahazo loka ka ny 23 desambra 2019 teny Ankorondrano no nizarana  ireo loka toy ny “réfrigérateurs”, “friteuses éléctriques”, “mini-hachoirs” ary “yaourtières”. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra hatrany fa sady  ho fampahafantarana ny marika Trust no famporisihana ny mpanjifa hividy fitaovan-dakozia Trust no tanjona ity lalao ity.

Folo taona no niparitaka  teto amin’ny ranomasimbe Indiana (Maorisy sy Madagasikara) ny fitaovan-dakozia marika Trust. Tarigetran’ity marika ity ny fanamafisana ny fahatokisan’ny mpanjifa amin’alalan’ny fampiasana ireo vokatra toy ny « réfrigérateurs, vitrines réfrigérées, congélateurs, lave-linges, cuisinières, réchauds à gaz, plaques de caisson, fours électriques, micro-ondes, rice-cooker, friteuses, robots de cuisine, bouilloires, fer à repasser, filtre à eau, machines à glaçons, hachoirs à viandes, mixeurs, centrifugeuses, yaourtières » sy ny maro hafa. Ankoatra ireo dia manana fitaovana hafa toy ny vata fahitalavitra, enceinte radio, régulateurs de tension, machines à coudres, machines à haute pression… ihany koa ity marika ity. Hita eny amin’ny magazay COSMOS sy ireo tranom-barotra nahazo alalana hivarotra izany ireo fitaovana ireo ary misy  antoka roa taona. «Mirary ny vidin’ny fitaovan-dakozia Trust  raha ampitahaina amin’ny vokatra hafa. Tsara ihany koa kalitao raha jerena ny vidiny », hoy ny solontenan’ireo nahazo loka.

Lynda A.


One comment on “UDITEC: Fizarana loka ho an’ireo tsara vintana tamin’ny lalao momba ny marika TRUST

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *