Socio-eco

TURQUIE: AHOANA NY ANY ?


Merhaba! Izany no voambolana renesinao raha miarahaba anao ny Turc (MERHABA = MIARAHABA). Hitsidika sy hamangy ity firenena isan’ireo madinika any Eoropa kanefa isan’ireo ngezalahy ara-tantara isika. Raha vao Turquie no resaka dia tsaroana avy hatrany i Mustafa Pacha Kemal Atatûrk “rain’ny Turcs” tamin’ny ady lehibe voalohany sy taorian’izany.

Sivilizasiona lehibe maro nifandimby.

Turquie na République Turque dia firenena misabaka eo amin’ny Kontinanta eoropeana sy aziatika. Ara-politika sy fitondrana ary toe-karena dia anisan’ny firenena eoropeana izy. Ara-jeografia kosa dia efa tafiditra amin’ny faritr’i Proche-Orient izy, ary iny misy azy iny ilay Azia minora lalam-barotra nivezivezen’ny mpandraharaha sy ny Apostoly. Raha avelantsika ny fahagolantany ka tsy hiresaka afa-tsy ny nanomboka taloha kelin’ny andron’i Jesosy isika dia nisy sivilizasiona matanjaka nisesisesy tao Turquie. Izany moa dia nentin’ny fihanaky ny Fanjakana Romana. Ny fihitaran’ny Fanjakana Romana niantsinanana iny indrindra no nantsoina hoe “Empire Romain d’Orient” izay niteraka ny “Empire Byzantin”, Byzance no renivohitra. Io Byzance io no niova ho Constantinople rehefa rava ny Empire Byzantin ka notsindrian’ny Empire Ottoman, ary lasa Istanbul kosa Constantinople taty aoriana ary mbola izany hatramin’izao Turquie moderne izao.

Faritra Galatiana lasa silamo.

Lehibe noho Madagasikara Turquie satria maherin’ny 780.000 km² ny velarany. Alinkisa ny mponina, mahatratra 60 tapitrisa. Ankara no renivohitra, mampiantrano mponina 3 tapitrisa mahery. Ankara no tanan-dehibe faharoa aorian’Istanbul izay mibaby vahoaka 7 tapitrisa mahery. Ity Ankara renivohitra ankehitriny ity no nantsoina fahagola hoe Ancyre rehefa nataon’i Aleksandra Lehibe kendaroroka sy fairano. Niova ho Angora kosa indray taty aoriana. Avy ao ilay saka sy osy “ANGORA” (tapis mohair any Ampanihy ohatra). Ny manodidina an’i Angora  no niforonan’ny Faritanin’i Galatia faha Fanjakana Romana taloha kelin’i Jesosy. Tao Ancyre io mantsy no nanorim-ponenana sy namahatra ny Celtes fahagola na koa Gaulois raha niainga avy any atsimon’i Allemagne ka nihazo an’i Frantsa nomeny ny anarana hoe GAULE (Gaulois), nianpita tany Grande Bretagne ka nanangana ny Pays de GALLES (Gallois), nianatsimo tany Espagne nampijoro an’i GALICE (Galicien) ary rehefa niantsinana tany Autriche namorona an’i GALICIE dia niafara tao Ancyre izy ireo ka nantsoina hoe GALATIE (Galates). Ireto farany no Galatiana nitorian’i Paoly an’i Kristy. Nandova ny adalan’ny Galatiana (Gal. 3. 1) anefa i Turquie ka tsy nitazona ny fampianarana nomen’ny Apostoly fa lasa silamo.

RAZAKA OlivaSans titre

Hitohy


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *