Socio-eco

TROPICAL: Savony manitra manasongadina ny harenan’ny faritra misy eto Madagasikara


Miavaka. Na dia nandalo fotoan-tsarotra aza ny Savonnerie Tropicale dia tsy mitsahatra manome vokatra vaovao ho an’ny mpanjifa malagasy. Nampahafantarina androany 06 desambra 2019 teny Anosivavaka ny marika savony  manitra vaovao novokarin’ity orinasa malagasy 100 % ity. Miavaka  ity savony ity satria ny hanitra avy amin’ireo vokatra mampiavaka ireo faritra eto Madagasikara no nampiasaina. “Hanitra efatra aloha amin’izao fanombohana izao dia ny mangan’i Diego, Cacao avy any Ambanja, Litchis  an’i Manakara ary ny papay avy ao  Analavory”, hoy ny tale ara-barotry ny Savonnerie Tropicale, Rakotomanga Henintsoa. Nambarany fa nampiasa fitaovana manaraka ny teknolojia tamin’ny fanamboarana ny savony manitra Tropical. Araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ity orinasa efa ho 52 taona namokarana savony  ity, Ramaroson Thierry fa nampiasa vola hatrany amin’ny 200.000 euros ny orinasa tamin’ny famokarana ity vokatra ity. Nanomboka ny volana novambra no hita teny amin’ny mpivarotra ny savony manitra Tropical ary amidy 1200 Ariary ny fonosana 80 grammes.  Ahitana fonosana 36 isa kosa ny baoritra iray.

Nohamafisin’izy ireo fa “rehefa mampiasa  ny savony manitra Tropical dia tsy manjifa ny vita malagasy ihany, fa sady mahalala bebe kokoa momba ny harenan’ny faritra misy eto Madagasikara no manimanitra sy miramirana”. Mahavita isika malagasy ary tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany. Misy ny tsena fa fa ny entan’ny vahiny no manjaka, hoy Ramaroson Thierry.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *