Socio-eco

Toamasina II : Nanampy ireo mpamokatra voankazo sy legioma Ambatovy.


Voankazo litchi 5,8 taonina no novidian’ny orinasa Newrest izay misahana ny toeram-pisakafoana ao Ambatovy, tamin’ireo tantsaha mpikambana ao amin’ny kaoperativa Fanoitra ao Toamasina II, ny volana desambra 2020.

Taratry nyfanombohan’ny fiarahamiasa tsara sy mahabe fanantenana eo amin’ny ity orinasa mpiantoka asa ho an’Ambatovy ity sy ny tantsaha ao amin’ny kaominina Toamasina Suburbaine sy Fanandrahana izany, satria mbola hivelatra amina karazana vokatra hafa ny filana ao Ambatovy amin’ity taona ity. Avy amin’ny tetikasa nataon’Ambatovy hanampiana ireo tantsaha mpamokatra voankazo sy legioma eny amin’ny faritra manodidina ny toerana fanangonana ny ambin’akora
avy nakàna nikela sy kôbalta ao Toamasina II, nanomboka ny taona 2019, no nipoiran’izao fiarahamiasa izao. Tanjona ny hanampy ireo tantsaha mpikambana ao amin’ny kaoperativa Fanoitra hampitombo ny vokatra sy hahita lalam-barotra mba hanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo.

Ho fanampiana azy ireo ihany koa hahamora ny fitaterana ny vokatra araka ny fenitra ilaina dia nanolotra kesika zato vita amin’ny plastika mahazaka 20kg isanisany ho an’ny tokantrano 35 mpikambana ao amin’ny fikambanana Fanoitra Ambatovy, ny fiandohan’ny volana febroary


One comment on “Toamasina II : Nanampy ireo mpamokatra voankazo sy legioma Ambatovy.

  1. Pingback: Toamasina II : Nanampy ireo mpamokatra voankazo sy legioma Ambatovy. - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *