Faits-divers

Tetikasa Tanamasoandro : Iza no mety hahazo tombotsoa amin’izany ?


Misy fanamboarana « tanàn-dehibe vaovao » maro ao amin’ny laminasan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, anisan’izany ny tetikasa Tanamasoandro. Ity tetikasa, izay voalohany amin’ny maro mbola ho avy, dia mikendry ny hanala ny fahatsetsenan’ny renivohitra Antananarivo. Misy mponina, anatin’izany ireo mpamboly sy tantsaha izay ho totofana ny tanimbariny, tompontany nefa ho esorina amin’ny taniny, maneho ny fanoherany mba hiarovana ny zony hanohy hamboly eo amin’ireo tany ireo.

tanamasoandroHo valin’ny fihetsiketsehana nataon’izy ireo dia nanambara ny mpandray fanapaha-kevitra fa hatomboka haingana ny tetikasa ary tsy misy hihodivirana ny ho fahatanterahany. Amin’ny maha-mpanaramaso-mpanaitra sy mpiaro ny zon’ny mponina ara-toekarena, sy ara-sosialy ary ara-kolotsaina azy, dia manambara ny fomba fijeriny mikasika ireo singa nampahafantarina ny daholobe sy ny vokany amin’ny mponina efa iaraha-mahita sahady eny amin’ireo faritra voakasiky ny tetikasa ny CRAAD-OI sy ny Fikambanana TANY.

Ireo zavatra mazava sy maizina momba ny tetikasa Tanamasoandro Toy ny toerana hametrahana azy, dia tsy nisy fakàna ny hevitry ny daholobe (indrindra fa ny fokonolona hiharan’ny tetikasa) na ny drafitra na ny zavatra hisy ao amin’ilay tanàn-dehibe vaovao, kanefa voalaza fa tokony hiainga alohan’ny faran’ny taona 2019 ny asa. Nisy fampisehoana azy io nisesisesy tamin’ny Malagasy mpila ravin’ahitra any Kenya tamin’ny volana marsa 2019, avy eo dia tamin’ny mpampianatra sy mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, tamin’ny jolay 2019, sy tamina vondron’olona hafa izay naneho sy nizara ny ahiahiny tany amin’ny haino aman-jery. Ny lohahevitry ny lahatsoratra iray mitatitra momban’ny fihaonana tany amin’ny Oniversite – « Tanà-masoandro : maro kokoa ny fanontaniana noho ny valinteny » – dia mampiseho ny tsy fahampian’ny fampahalalàna nomena ny olona nandritry ny fivoriana. Anisan’ny olana iray ny fandaniana mihoam-pampana haterak’ity tetikasa makadiry toy ny zavatra nataon’ny mpanjaka taloha tany Egypta ity, izay voasokajy anatin’ny atao hoe « tetikasan’ny Filoham-pirenena » – fampiasambola mitentina 2.575 lavitrisa Ariary (sahabo 600 tapitrisa Euro) izay mitovy amin’ny atsasaky ny fitambaran’ny tetibola famatsiana sy ho enti-miasan’ny Fanjakàna malagasy mandritry ny taona 2019  – ka miteraka fanontaniana momba ny loharano sy fombafomba mikasika ny famatsiam-bola. Vola tokony haverin’ny taranaka fara mandimby misesy ve, ary amin’ny endriny inona, raha toa ka notrosaina araka ny mety ho fisehony ?

Tao amina lahatsoratra angazety nivoaka ny faha-31 jolay 2019 tokoa mantsy dia nisy mpiandraikitra nilaza fa « mpampiasa vola 21 no efa nilaza fa handray anjara » . Ny lahatsoratra tamin’ny 13 aogositra 2019 nefa dia nampiseho fa « ny tetikasa Tanamasoandro koa dia [mbola] mitady mpamatsy vola toa ireo izay efa misoratra ao amin’ny TaTom ». Nanaparitaka vaovao mikasika ny famangian’ny mpandraharaha sinoa teny an-toerana ny gazety saingy tsy nisy fampahafantarana raha nisy fifanekena nifanaovana. Manan-danja goavana ny fisian’ny mangarahara momba io lohahevitra io satria ny fisian’ny takona mikasika ny vaovao dia atahorana hanafenana « raharaham-barotra » atakalo tany malagasy, ankoatry ny fakàna andraikitra amin’ny anaran’ny taranaka fara mandimby ho avy raha toa ka misy trosa tokony haloa.

Raha toa ka tsy azo lavina ny maha-mitombina ny filàna fanitàrana ny tanànan’Antananarivo, dia ny famaritana ity ‘tanan-dehibe’ vaovao ity ho tombontsoa iombonana no nampisy fanamarihana maro be avy amin’ny olompirenena samihafa : – Ny fikatsahana fahavao « manindrahindra ny hoavy » (modernité « futuriste » ) dia mifanipaka mafy loatra amin’ny fahantran’ny mponina maro an’isa ; – ny tsy fisian’ny fampifandraisana na rohy amin’ny tontolo ara-kolotsaina sy ny tantaran’ny tanànan’Antananarivo, hany ka tsy hahita ny toetoetra mampiavaka ny firenena Malagasy eo amin’ny lafiny maritrano sy tontolo iainana ny ankabeazan’ny mponina ; – fa ny tena manahirana dia ny « maha-mora-tondra-drano » ny faritra nofidiana, rehefa voatototra ny tanimbary. Misy lahatsoratra an-gazety nitatitra fanambaran’ny mpiandraikitra izay nilaza fa « satria mora tondra-drano ny faritra Andrefan’Ikopa » « dia tsy maintsy ho jerena ny vokatry ny fanandramana ny fandaharana mikasika ny fifehezana ny fitambaran’ny rano sy fahadiovan’Antananarivo mba ahafahana mamaritra ny velaran-tany azo totofana ».

Tsy naseho ny olompirenena izany fanadihadiana izany sy ny vokany, ny mpandray fanapaha-kevitra nefa tsy tokony hihevitra ny olompirenena ho tsy misy na hanosibohon-tànana ny filazan-kevitra mifanohitra. Nampidirin’ny mpandray fanapaha-kevitra tao amin’ny fandinihina ve ohatra ny filazan-kevitr’ireo manam-pahaizana izay nanatanteraka fanadihadiana momba ny fifehezana sy fitantanana ny rano eto Antananarivo izay nanao fanamarihana manokana mikasika an’Ambohitrimanjaka ? Izahay dia miombo-kevitra amin’ireo olompirenena maro nampiseho fahatafintohinana sy alahelo manoloana ny fanafoanana ny tanimbary ho an’ny tombotsoan’ny tetikasa Tanamasoandro, nefa ny fanitarana ny velaran-tany ho volena sy ny tanimbary dia anisan’ny tanjon’ny mpitondra ny firenena.

Milaza ny tetikasa fa « eo amin’ny arivo hekitara eo ny faritra izay ho esorina ny eo amboniny ary mponina 350.000 no ho raisina ao amin’ireo fotodrafitrasa vaovao ». Miolotra amin’ireo olona 200.000 mifindra monina tonga ao Antananarivo isan-taona, tsy ahavaha ny olana mikasika ny fahatsetsenan’ny tanànan’Antananarivo mandritry ny fe-potoana fohy na antonotonony akory izany ity tetikasa ity. Raha fanampin’izay, tsy voafehy amin’ny fomba tena azo antoka ny mety hisian’ny tondra-drano, mendrika hanaovana sorona ny tanimbary sy ny toerana iainan’ny mponina ve izany ? Famaranana Tsara ho marihina fa tsy tena vaovao ny vinavina hanorina ‘tanàn-dehibe vaovao’ ao Antananarivo fa tohin’ny tetikasa natomboka tamin’ny taona 1990 tany ho any  izay naverin’ny fitondràna Rajaonarimampianina teo amin’ny fikasàna alohan’ny naha-voafidy azy ho anisan’ny tetikasa-fanilo ao amin’ny Fandraisana an-tànana ny Fisandratan’i Madagasikara – I.E.M.

Misy mponina ao Ambohidrapeto, Ambohitrimanjaka, Ankadimanga, Fiombonana nanao fihetsiketsehana amin’ny fomba vao mainka mitabataba kokoa satria voaray ao anatin’ny 100 hekitara tokony ho totofana ho an’ny fanatanterahana ny dingana voalohany amin’ny tetikasa Tanamasoandro ny kaomininy sy ny taniny (10). Tokony mbola hiatrika fandalinana ara-teknika, fisaintsainana ary fifanakalozana amin’ny olompirenena mikasika ny lafiny rehetra amin’ity tetikasa ity alohan’ny hanombohan’ireo asa goavana toy ny fanamboarana foto-drafitrasa tamin’ny andron’ny mpanjaka tany Egypta, sy ny fakàna ny tanin’ny olona ary ny fandroahana ny mponina. Vao mainka tsy maintsy hatao izany satria nanao velirano ny Filoha Andry Rajoelina tao anelanelan’ny fihodinana roa tamin’ny fifidianana fa « tsy haka ny tanin’ny Malagasy na oviana na oviana ».

(c)

CRAAD-OI – Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives au Développement – Océan Indien Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy – Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *