Socio-eco

TAOM-BAOVAO MALAGASY: Mirodorodo ny vahiny


Nanamarika ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy ny taranaka Ambohidrabiby. Teny amin’ny rova an’Ambohidrabiby ny alatsinainy 19 martsa 2018 no nanatanterahina izany. Tonga nanotrona ity fomba Malagasy ity ny Ambasadaorin’Indonezia. Fampihavanana sy tso-drano no fototry ny taom-baovao Malagasy fa tsy fanompoam-tsampy araka ny eritreritry ny Malagasy sasany. Nanamafy ny Ambasadaorin’ Indonezia fa tsy misy fampandrosoana vanona raha tsy mifamela heloka ny Malagasy.
Taorian’ny fifandimbiasam-pitenenana nandritra ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy teny Ambohidrabiby, niroso tamin’ny tso-drano, fihinanana ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, ny fizarana salohim-bary ny mpilanonana. Nomarihin’ny filohan’ny taranaka Ambohidrabiby, Rabetrano Andriambololo-Nivo fa amin’ny 07 martsa 2019 ny taom-baovao Malagasy manaraka ho an’ny taranaka Ambohidrabiby.
Fomba fa tsy finoana
Resy lahatra ny Solombavambahoaka an’i Madagasikara, Benjamin Andriamitantsoa sy ny Loholon’i Madagasikara, Andriambololona Mananjara fa tokony atao ara-panjakana ny taom-baovao Malagasy. Raha tanteraka izany, lasa andro tsy fiasana kanefa handraisa-karama sy tsy fianarana ity fomba Malagasy ity. “Tahaka ny fomba Malagasy toy ny famorana, famadihana sy ny maro hafa ny taom-baovao Malagasy fa tsy finoana”, hoy ny Ben’ny Tanana kaominina Ambohidrabiby, Barisoa Andriamananjara. Fampihavanana ihany koa satria mialoha ny hanitsahana ny taom-baovao, mila mifamela heloka ireo manana disadisa. “Tsy ho tanteraka ny fampihavanana raha tsy mifanome hasina ny tsirairay”, hoy ny filohan’ny trano koltoraly Malagasy, Henri Randrianjatovo.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *