Socio-eco

TANORA MIAVOTSE: Mahasalama ny osy zana-tany


Tsy hatahorana hiteraka diabeta ny fihinanana osy zana-tany. Nambaran’ny tomponandraikitry ny fikambanana Tanora Miavotse avy ny Androy, Kalimahazo fa hena fotsy ary avy eto an-toerana ny osy zana-tany. Tsy nompiana tahaka atao amin’ny kisoa hatavezina haingana na akoho fakana nofo ihany koa izy ity fa nompiana araka ny fomban-drazana. Noho izany, biolojika tsara. Miompy osy zana-tany ny fikambanana Tanora Miavotse. Miteraka in-telo isaky ny roa taona ny osy iray. Amin’izao fotoana izao, manana osy zana-tany miisa 450 ny mpikambana.
Mitady olona azo hifampiraharahana ny Tanora Miavotse mba hanampiana ny velontenan’ny mpikambana miisa 25. 70. 000 ariary ka hatramin’ny 200.000 Ariary ny vidin’ny osy iray. “Mandray commande izahay », hoy i Kalimahazo. Mandray anjara eny amin’ny “Foire Internationale de l’Agriculture”, eny amin’ny Forello Tanjombato hatramin’ny rahampitso 16 septambra 2018 ny fikambanana Tanora Miavotse raha te hividy osy zana-tany ianao.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *