Mahoraka

« STAR TOUR » : Hitorajofo indray Antsirabe


Ny 20 hatramin’ny 22 Aprily 2019 ho avy izao dia hifety tanteraka indray ny tanàna an’Antsirabe. 14 taona izao no niarahan’Antsirabe sy ny Star isaky ny fetin’ny Paska. Amin’ity taona ity dia hiavaka hatrany ny fety satria efa andiany faha dimy sahady izao ny « Star tour » ary andiany faharoa kosa raha ho an’Antsirabe manokana.

Toy ny mahazatra, dia hisy ny fampilalaovana samihafa, ny fialamboly vaovao ary fampisehoana  hiarahana amin’ireo mpanankanto malaza toa ny Dadi Love, Tence Mena, Lola, Jess Flavi One ary Mad max. Isaky ny hariva kosa dia hisy fampandihizana irahana amin’ireo Dj kalaza : DJ NICK DiManu, Dj Sniper, Teejay Jerry. Hanentana mandritry ny tontolo andro sy ny lalao samihafa Barhone sy Teg.

Laharampahamehan’ny mpikarakara hatrany, raha ny fanazavna, ny fandriampahalemana sy ny fahadiovana mandritry ny hetsika. Hisy noho izany ny fiarahamiasa amin’ny mpitandro  ny filaminana, ny mpiambina sivily mandritra ny « Star tour » Ho hita any an-toerana ihany koa ny « croix rouge malagasy ». Aorian’ny lanonana rehetra kosa izany hoe ny 23 Aprily 2019 dia hisy ny fanadiovana faobe ao an- tanàna izay hataon’ny ekipan’ny Star.

Miora Razafindramanitra


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *