Socio-eco

Sendikan’ny mpiasan’ny fadintseranana: Manambana ny hitokona


Manohana ny hetsika tarihin’ny solombavambahoaka TIM sy MAPAR ny sendikan’ny mpiasan’ny fadintseranana (SEMPIDOU). Manoloana ny antsojay atao amin’ny mpitarika ny sendika, ny famoronana lalàna tsy ahafahan’ny mpiasa cadre A sy B manao fitakiana, manome 48 ora ny tomponandraikitra mahefa ny SEMPIDOU. Manankery manomboka androany io filazana mialoha ny fisian’ny fitokonana io, araka ny fanazavan’ny filohan’ny sendika, Herizo Andrianavalona Ramanambola.
Manana zo haneho hevitra anefa ny sendika araka ny lalam-panorenana. “Tsy afaka mivelatra ny sendika noho ny fandrahonana atao amin’ny mpitarika”, hoy ny biraon’ny sendika. Manoloana izany, miara-dia amin’ny hetsiky ny solombavambahoaka ho an’ny fanovana ny Sympidou hiadiana amin’izany jadona izany.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *