Evenement

SEFALA FARITRA ANKAZONDANDY : Nisokatra ny taom-pianarana


 

Nisokatra ara-pomba ofisialy, nefa tamy ny endrika tsotra, ny taom-pianarana 2016 an’ny SEFALA faritra Ankazondandy, anaty Synodam-Paritany Mananara Firaisana (SP-22), eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara.

SEFALADSC06440

Pasitera Voahangy, Talen’ny SEFALA faritra Ankazondandy

Tao amy ny FJKM Tranovato Ankazondandy no nanamarihana izany fanokafana ny taom-pianarana izany. Ny Pasitera Harifidimalala Léon, Mpitondra Fitandremana Antaninandro Fanantenana no nitarika ny fotoam-bavaka. Ramatoa Rakotondrasoa Harinanahary Voahanginirina, Talen’ny SEFALA, no nitory ny Tenin’Andriamantra izay notsongaina tao amy ny Epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Romana (1, 18-25). Ny tsimbalivaly araka ny fampianarana napetrak’i Paoly, izay Apostoly natokana hitory any amy Jentilisa, no nentin-dRamatoa Mpitandrina nampahery ny mpianatra rehetra sy nampiorina ny finoan’izy ireo. Marihina fa mpiomana ho Mpiandry, Katekista ary Mpitoriteny no misoratra anarana hanaraka fiofanana mandritra ny fito volana mandrafitra ny taom-pianarana.

SEFALADSC06443

Ampahany amy Mpiomana manongilan-tsofina mihaino

Manodidina ny 50 no isan’izy ireo, ary mbola hiampy izany satria mbola misy ny fandraisana mpianatra hatramy volana marsa. Araka ny tatitra nataon’ny mpitarika dia ny SEFALA faritra Ankazondandy no nitana ny laharana voalohany tao anaty Synoda, ary tsy nisy ny nihintsana sy raraka an-dalana. Nampirisika ny mpianatra izy araka izany mba hitana izany laharam-pahombiazan’Ankazondandy izany fa tsy hihemotra.

SEFALADSC06452

Mpiomana Katekista, Mpitoriteny, Mpiandry nanolo-tena

Tonga nifarimbona sy nanome voninahitra ny fotoam-panokafana ireo Mpitandrina anaty SP-22 sady mpampianatra rahateo amy SEFALA Faritra Ankazondandy: Pasitera Randrenja Tsiry FJKM Tranovato Ankazondandy, Ramatoa Domoina Anjarasoa Mpitondra Fitandremana FJKM Miarinarivo Fahazavana, Ramatoa Raharinantenaina Bodo Hanitra Herizo Mpitondra Fitandremana FJKM Mampiteny Fijoroana. Taranja teknika sy teolojika maro no trandrahan’ny mpiofana eo anivon’ny SEFALA.

SEFALADSC06445Mamafanja, Apostolin’i Soatanana, mampita fampianarana

Ny nampiavaka an’ity fanokafana taom-pianarana 2016 ity dia ny fanasan’ny SP-22 ny tobilehibe Soatanana miray amy ny FFPM nitondra fampianaram-pifohazana sy ny tantaran’ny Fifohazana teto Madagasikara. Taorian’ny fotoam-pivavahana fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, dia nandritra ny ora telo no namelabelaran’ny Mpiandraikitra Sera sy Fifandraisana Ivelan’ny tobilehibe Soatanana an’izay farafahakeliny tokony ho fantatra mikasika ny nahaterahan’ny Fifohazana voalohany teto Madagasikara tamy ny namohazan’ny Tompo an-dRangahy Rainisoalambo tany Ambatoreny.

SEFALADSC06453

Fandraisam-peo ho an’ny Fahefakadiny Protestantra (RNM)

Fandraisam-peo alefa amy Fahefakadin’ny Protestantra amy ny onjampeon’ny Radio Madagasikara no namaranana ny fotoana, ka vahiny tamin’izany ireo Mpitandrina dimy mianadahy Mpampianatry ny SEFALA voalaza ireo.

Nanangona Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *