Socio-eco

SECES ANTANANARIVO : Mbola santionany ny fanidiana vavahady


Hanao fanambarana ny sendika rahariva. Talohan’ny fetin’ny fara-taona dia nanome fe-potoana ny fitondram-panjakana, hatramin’ny   15 janoary mba hanome valiny mahafapo sy maharitra momba ny fitakiany ny Seces (sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra) Sampana Antananarivo. Androany 08 janoary 2020 dia mitohy ny hetsika ka nidiana ny vavahady idirana eny amin’ny anjerimanontolo. Nambaran’ny  sekretera jeneralin’ny Seces sampana Antananarivo, Masindrazana Graziella fa tapitra ny fety, miditra miasa daholo ny eto amin’ny firenena. “Hatreto dia tsy mbola nahita na taratra faran’izay kely akory  amin’izay valiny mahafa-po sy maharitra izahay”, hoy izy.

Nohamafisiny fa mbola ao anatin’ny fotoam-pitokonana ary mitohy ny fitokanana ety amin’ny anjerimanontolo sy ny  hetsika isan-karazany. “Santionany amin’izany ny fanidiana vavahady miditra aty amin’ny  oniversite, ny fitohizany ny  fikatonan’ny oniveriste, ny fanampiana sora-baventy milaza fitakiana, ny fanaovana fivoriambe. Santionany ireo fa arakaraky ny fahatsapanay ny tsy fandrosoan’ny fifampiresahana no tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra  amin’ny hetsika fitokonana izay ataonay”. Efa nanao fivoriambe ny sendika ny marainan’ny 08 janoary 2020 saingy anio hariva vao hanao fanambarana ny  hevitra tapaka ry zareo.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *