Socio-eco

SECES ANTANANARIVO: Hanatevin-daharana ny fitokonana ny Seces Toliara…


Manamafy ny fampiatoana ny  asa aman-draharaha eny amin’ny oniveriste an’Antananarivo ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra. Taorian’ny fivoriambe notanterahan’izy ireo androany 7 novambra 2019 teny Ankatso dia nanao fanambarana izy ireo fa mitohy ny fitokonana.  “Taorian’ny  fametrahana préavis de grève 72 ora tamin’ny 4 oktobra 2019 sy fanomezana 15 andro hiasana ho fampidinihina miaraka amin’ny mpitondra (primatiora, ny ministeran’ny  fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola) voakasiky ny fanantanterahana ny vahaolana natolotry ny praministra sady lehiben’ny governemanta dia tsy mbola nisy ny vahaolana  sy vokatra azo tsapain-tanana”, hoy ny filohan’ny Seces sampana Antananarivo, Profesora Ravelonarivo Grégoire Sammy. Nambarany fa tsy rariny sy tsy azo ekena velively ny fanaovana ho ambikambin-javatra ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anisan’izany ny tsy fanatanterahana ny lalàna velona laharana 1995-023 tamin’ny 06 septambra 1995 sy ny 2003-008 tamin’ny 5 septambra 2003. Tsongaina amin’ireo hoy izy  ny tsy fandefana ny antontan-taratasin’ireo mangataka ny “maintien en activité” araka ny andininy faha-61 amin’ny lalàna voalaza etsy ambony, ny tsy fandoavana ny “indemnité de recherche et d’investigation” taona 2016 sy 2018 ho an’ireo mpikaroka efa misotro ronono…

Manoloana izany, manamafy ny Seces Sampana Antananarivo fa mitohy fitokonana mandra-pisian’ny vahaolana azo tsapain-tanana. Ankoatra izany, “satria andraikitra saropady loatra ny fitantanana ny ministeran’ny  fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa dia manainga ny filohampirenena mba hifantina tsara izay olona heveriny fa mahafantatra amin’ny antsipiriany ny olana (mpianatra, mpampianatra-mpikaroka, mpikaroka-mpampianatra, mpandraharaha, fampianarana sy fikarohana) ka afaka mamaha olana avy hatrany no sady tsy mpanilika andraikitra, mahay mifandray amin’olona, manana vina azo tanterahina, ary tsy manana olana eo amin’ireo mpiara-miasa aminy mivantana rehefa tonga ny fotoana liana izany”, hoy ny filohan’ny Sendika. Nilaza ny sekretera jeneralin’ny Seces Toliara, Ralahiavy Laurent Denis, nanatrika ny fivoriana tamin’ny maraina teo fa hanohana ny tolona ataon’ny Seces Antananarivo ny sendika any amin’ny oniversite Toliara aorian’ny fanatanterahana ny dingana araky ny lalàna.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *