Socio-eco

« SALON DE L’ÉTUDIANT » : Manatona ny mpianatr’i Toamasina


Tombony ho an’ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea any Toamasina ny « salon de l’étudiant ». Voalohany ny Mada jeune no mikarakara « salon de l’étudiant » any amin’ny faritany. Nisafidy an’i Toamasina ity mpikarakara hetsika ity noho izy manana mponina betsaka indrindra aorian’i Antananarivo. Fotoana iray ahafahan’ireo mpianatra any an-toerana mamantatra ireo oniveriste manerana an’i Madagasikara sy any ivelany ny « salon de l’étudiant » izay ho tanterahina ao amin’ny Foyer tranovato FJKM Toamasina ny zoma 26 sy ny sabotsy 27 oktobra 2018 manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva.
Hanampy ireo tanora amin’ny fisafidianana ny lalam-piofanana tiany ho ratovina, ny asa mifandraika amin’izany, ny saram-pianarana, ihany koa ity hetsika ity. Hihaona mivantana amin’ireo mpitsidika ireo tomponandraikitry ny fampianarana na ny talen’ireo oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana mandray anjara amin’ny « salon de l’étudiant ». Santionany amin’ireo mpandray anjara ny UPRIM , ISNA, ISFSP, AFT, CAMPUS France, ESTIIM, IFSM, ITU, IST, FIGS (France International Graduate School) , ATOUT TOURISME, ISGEI, FAN EDUCATION… Mandritra ny roa andro amin’io “salon de l’étudiant” io dia ho maimaim-poana ny “test” ho an’ireo te hanamafy ny fahaizana ny teny frantsay ao amin’ny Alliance française Toamasina.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *