Sport

Rugby Top 14 Analamanga : Fantatra ireo ekipa hanao ny Top 6


 

Nandritra ny andro farany amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny Analamanga eo amin’ny taranja lavalava izay tonotosa ny faran’ny herinandro teo dia fantatra avokoa ireo ekipa enina tafita hiatrika ny Top 6 amin’ity taranja ity.

Ireo ekipa henjana avokoa

Saika ireo ekipa henjana sy manana ny lazanay amin’ity taranja rugby ity avokoa no tafita amin’izany. Anisan’izany ny ekipan’ny fahasalaana izay mitana ny laharana voalohany amin’ny filaharana ankapobeny.manaraka azy avyeo ny ekipan’ny Miaramila izay fahaoa amin’ny filaharana.Mbola hita ao avokoa ny ekipan’ny IRC , ny ekipan’ny TAM Anosibe sy ny ekipan’ny Dakar izay anisan’ny ekipa nahavita dingana tsara tokoa nandritra ny volana maromaro tato ho ato izay. NY ekipan’ny TFA Anatihazo kosa no ekipa farany tafita izay sambany no hiatrika izany.

Tsy hita tabilao ny TFMA sy ny USA

Anisan’ny ekipa izay tsy nampoizina ny tsy naha tao azy ny ekipan’ny TFMA sy ny US IKopa ary ny UASC sy ny USA . Ireo mantsy dia mety mbola heady ny lalaos akana amin’ny hakana ny tapakila amin’ny Top 8 izay hatao atsy ho atsy ihany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’I Madagasikara.

Raha hiverenanan ny lalao amin’ny Top 6 io dia hiatrika ny lalaos akana aloha ny ekipan’ny IRC sy ny FTM ka izay tafavoaka mandresy eo dia hidona amin’ny Cosfa ary ny lalao sakana faharoa kosa dia ny adin’ny TFA sy ny TAM ka izay tafavoka eo hiaona amin’ny 3FB amin’ny lalao manasa-dalana avy hatrany. Ireo lalao sakana ireo dia hatao eny amin’ny kianjan’i Makis eny Andohatapenaka  hatrany amin’ny 19 sy 20 desambra izao.

José R

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *