politique

Ramaroson Alain: Tsy reraka manao fitakiana


Ramaroson Alain: tsy reraka manao fitakiana
Feno ny fepetra rehetra ahafahana manatanteraka ny hetsika amin’ny Sabotsy ho avy izao ny amin’ny fitakiana ireo “lles Eparses “ eny Ambohijatovo, hoy Ramaroson Alain izay isan’ny mpitarika tolona matetika sy hetsika eto Madagasikara.
Efa nalefa tany amin’ny tompon’andraikitra samihafa avokoa ny taratasy fangatahana rehetra ahafahana manao ity hetsika ity araka ny fanazavany. Ny mahagaga dia milaza ho mbola tsy naharay ny taratasy fangatahana ny ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana izao. Hafa kely ity zavatra mitranga eto amin’ity tanitsika ity, hoy hatrany Ramaroson Alain. Hiaro ny tanindrazana isika nefa mangataka alalana foana amin’izay atao, na isika manolo-tena fa miasa ho an’ny vazaha ka miteny hoe izahay dia botom-bazaha ka dia hiasa ho azy. Fa raha samy Malagasy hiaro ny tombotsoan’ny daholo be hiraisana tsy hita izay tokony angatahana alalana, hoy hatrany ny fanazavana. Politika ahoana ary ity politikan’ny Malagasy manampahaizana ity? Toa lany andro mangataka?

Miora Razafy


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *