Socio-eco

PRIX 2019 AFRICAN MEDIA AGENCY: Mpanao gazety Malagasy no nandrombaka ny loka


Voasafidy tao anatin’ireo mpanao gazety an-jatony avy amin’ireo firenena afrikana nandray anjara tamin’ny fifaninana “prix 2019 African Media Agency” ny mpanao gazety Malagasy avy eto amin’ny Olondia Corporation, Andriatsitonta Lynda. Handeha handrakotra ny fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ny sehatra tsy miankina manerana an’i Afrika  (African CEO forum), andiany faha-fito, atao any Kigali, Renivohitr’i Rwanda ny 25 sy ny 26 martsa 2019 ny loka azony ka hiantohan’ny  African Media Agency  (AMA) avokoa ny fandaniana rehetra.  Manana andraikitra lehibe amin’ny fampandrosoana an’i Afrika ny mpanao gazety. Mba ahafahan’izy ireo mampiseho fahaiza-manao amin’ny lafiny fanaovan-gazety sy ny fandraisany anjara amin’ny fampandrosoana no tanjon’ity fifaninanana ity”, hoy ny filoha tale jeneralin’ny AMA, Eloïne Barry.

Lahatsoratra an-gazety momba ny Afrika nosoratana teo anelanelan’ny janoary ka hatramin’ny desambra 2018 navoaka tamin’ny haino vaky jery sy gazety nomerika (media online) no fepetra takiana tamin’ny fifaninanana. Anisany mendrika indrindra ny lahatsoratra nosoratan’ny mpanao gazetinay, Andriatsitonta Lynda  momba ny “forum Africa” natao tany Egypte tamin’ny taona lasa izay anisany nasaina tamin’izany ny  filoham-panjakana Malagasy teo aloha, Rivo Rakotovao. Navoaka tao amin’ny media online www.jmada.com (Journal Mada) ity lahatsoratra ity. Ankoatra ny gazety an-tsoratra  Sékré Détà, Marikoditra dia miaraka amin’ny media online www.deliremadagascar  ao anatin’ny vondrona Olondia Corporation ihany  koa ity gazety nomerika Journal Mada ity.

Mpandray anjara 1500 no tonga nanatrika ny ACF 2018. Filoham-panjakana 70 isa no liana tamin’izany ary mpanao gazety 150 nandrakotra ny fihaonambe. Ho amin’ity andiany manaraka ity dia vinavinaina ho 1500 ihany koa ny mpandray anjara. Ho resahana mandritra ny roa andro ny famaritana ireo laharam-pamehana mba hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola amin’ny samy afrikanina, ny tokony  atao ho an’i Afrika mba hiarovana ny tombontsoa sy ny indostria ao aminy…

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *