politique

PASITERA MAILHOL: Tsy mitombona ny fangatahan-dRajoelina sy Ravalomanana


Nanapa-kevitra ny birao nasionaly ny antoko politika Gideona ny Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara (GFFM) izay nanolotra an’i Mailhol ho kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. Nanantena i pasitera Mailhol André Christian Dieu Donné fa hahazo vato iray tapitrisa satria io ny isan’ny sonia voaangona tamin’ny fitakiana ireo nosy “éparses”. Nahatoky ny mpivavaka tao aminy ihany koa izy saingy nivadika ny tantara fa 63 391 (1, 27 %) ny vato azony tamin’ny fifidianana ny 7 novambra 2018. Nisaotra ireo Malagasy nifidy azy i Mailhol. Mino ihany koa izy fa tsy hisy ho kianina tahaka ny fihodinana voalohany ny fifidianana amin’ny 19 desambra 2018.
Manoloana ny fangatahan’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, mpifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa, nanao fanambarana niaraka i Mailhol ny 30 novambra 2018. “Samy nangataka tolo-tanana ireo kandida roa ireo. Azo raisina ny fangatahin’ny kandida laharana faha-13 sy laharana faha-25 fa tsy mitombona ”, hoy i pasitera Mailhol. Tapaky ny birao nasionaly, ny fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara (FAM), ny komity mpanohana an’i pasitera Mailhol (KMPM) anefa fa tsy hanohana mihitsy. Hijanona ho mpanelanelana i pasitera sy ireo mpanara-dia azy fa vonona hifanome tanana kosa mandritra ny fifidianana fihodinana faharoa. “Hitaona ny olona hilamina tsara izahay”. Nanamafy i Mailhol fa tsy misy olona afaka mitonona ho mpanohana kandida amin’ny anaran’ny fiangonana na ny antoko fa rehefa te hanohana kandida dia amin’ny anarany manokana.

Lynda A.


One comment on “PASITERA MAILHOL: Tsy mitombona ny fangatahan-dRajoelina sy Ravalomanana

  1. Pingback: PASITERA MAILHOL: Tsy mitombona ny fangatahan-dRajoelina sy Ravalomanana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *