Socio-eco

PAOSITRA ATY AFRIKA: Lany andro ny fitsipika


Voalohany i Madagasikara no mampiantrano fivoriana iraisam-pirenena momba ny paositra. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana tsy ara-potoana faha-dimy momba ny « conférence des plénipotentiaires de l’Union Panafricaine des Postes (UPAP) ny filohampirenena Malagasy Hery Rajaonarimampianina omaly 26 jolay 2018 teny amin’ny CCI Ivato. Olona ambony miisa 35, delege miisa 178 avy amin’ny firenana 43 ary sampandraharaha iraisam-pirenena 12 mandray anjara amin’ity fivoriana izay hifarana androany 27 jolay 2018 ity. Ankoatra ny atrik’asa, fifanankalozan-kevitra amin’ny samy firenana dia mampiranty tolotra omen’ny mpanjifa toy ny fandefasana vola na entana… ny ministeran’ny paositra, ny fifandraisan-davitra sy fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra.

Fotoana ahafahan’ireo mpizaika mamaritra ny paik’ady hanatsarana ny tontolon’ny paositra eto Afrika ny “conférence des plénipotentiaires de l’Union Panafricaine des Postes”. Nambaran’ny tale jeneralin’ny  paositra Malagasy, ny fifandraisan-davitra sy fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra, Nirina Augustin Rakotomalala fa tsy mifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia intsony ny lalàna mifehy ny paositra ho an’ny firenena Afrikanina. Noho izany, fiomanana amin’ny kongresy tsy ara-potoana an’ny fivondramben’ny paositra manerantany (UPU) ny UPAP. Ho entina mandritra kongresy izay atao any Addis-Abeba amin’ny septambra 2018 ny fehin-kevitra nivoaka nandritra ny fivoriana natao teto Antananarivo mba hanavaozana ny fitsipika mifehy ny paositra eto Afrika. Hanampy ny paositra Malagasy hitàna hatrany ny teny filamatrany “tsy misy mahasolo ny paositra” izany fanatsaràna izany.

Lynda A.

Filoham-pirenena

SG Min Paositra


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *