“Ankohonana misitraka ny fanjarian-tsakafo lavorary, fenitra ho an’ny fampandrosoana maharitra” no lohahevitra ho entina hanamarihana ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (JNN) . Ny 6 sy ny 7 jolay 2018 any Antisrabe, faritra Vakinankaratra no hanatanterahana izany. Mpiantsehatra maro miasa amin’ny fampiroboroboana ny fanjarian-tsakafo handray anjara amin’ny fampirantiana. Tanjon’ny foibem-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN) ny hampahafantatra ny mponin’ny Vakinankaratra sy ny faritra 21 hafa ny fomba fandrindrana ny sakafo mba hitondra otrik’aina ho an’ny vatana. “Nosafidiana manokana ny faritra Vakinankaratra hanamarihana ny JNN satria faritra mamokatra be kanefa ambony dia ambony ny tahan’ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. 65, 3 % ny zaza latsaky ny dimy taona ao an-toerana no iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Ny fomba fisakafoana no mahatonga izany”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny ONN, Ambinintsoa RAVELOHARISON.
Marolafy
Ny fahaizana mandrindra ny sakafo maroloko no fomba voalohany hisorohana tsy fanjarian-tsakafo. “Tsy voatery vary be sy anana kely no hohanina”, hoy hatrany Ambinintsoa RAVELOHARISON. Hampirantiana mandrindra ny androm-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (JNN) ny fandrindrana ny fihinanana sakafo mba hitondra hery sy tanjaka ho an’ny vatana. Ankoatra izany andro natokan’ny governemanta Malagasy amin’ny alalan’ny ONN sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ny JNN. Hampahafantarina mandritra ny roa andro ny asa vitan’izy ireo momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nambaran’ny ny mpandrindra nasionalin’ny ONN fa marolafy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Mitaky fandraisan’anjaran’ny mpiantsehatra amin’ny lafiny famokarana, rano sy fahadiovana, fahasalamana…izany.
Lynda A.