Interview...Anterivava

ONIVERSITEN’ANTANANARIVO : Mamerina kilasy  Ramanoelina Panja


 

Nizotra tamim-pilaminana sy tanaty fifanajana ny fifidianana izay ho Filohan’ireo Oniversite enina manerana ny Nosy. Anisan’ireny ny teto Antananarivo. Lany fanindroany indray ny Profesora Ramanoelina Panja. Anterivava ho an’ny Délire Madagascar.

Délire Madagascar (DM): Miarahaba anao izahay Prof! Manahoana ny fihetsehampo? Inona ary no programa?

Ramanoelina Panja (RP): “Faly dia faly tokoa! Ary faly miarahaba anareo indray eto amy Délire Mada sy ny naman’i Ony Rambelo, ianareo dia mahatsara vintana ahy foana, fa dia 11 janoary 2013 teo ianareo, 11 janoary 2016 mbola teo ihany ianareo dia mandresy foana isika. Ny programa dia tsy mifanalavitra loatra amy zavatra efa natao teo aloha. Fa ny fomba fiasa dia hamafisina foana ny fanomezana sehatra hatrany ny fifanakalozan-kevitra ao anaty fifanajana sy ny fiasana ao anaty mangarahara, ary koa ny fitondrana tsara tantana, ireo no hamafisina foana. Ny programan’asa dia misy « axes stratégiques » efatra.

  • Ny voalohany indrindra dia ny fanamafisana ny lafiny fampianarana, ny rafitra LMD izany. Iny izany hisy atrik’asa izay entina hamafisina ho entina amy ny “atelier” lehibe karakarain’ny Minisitera.
  • Ankoatra izay, eo koa ny fanatsarana tafiditra amin’izay LMD izay, ny fampianarana, ny momba ny fanatsarana ny “connexion Internet”. Efa mifandray izahay amy fotoana, ankoatra ny Renala dia hisy fanaovana sonia amin’ny mpandraharaha hafa. Eo koa ny lafiny fikarohana.
  • Manaraka dia ny fanomezan-danja bebe kokoa ny trainkefan’ny Mpampianatra Mpiaroka amy fananganana ONG izay hiasa ho an’ny Oniversite.
  • Ary farany dia ny fanamafisana ny eo amy lafiny kolontsaina sy lafiny fanatanjanatena.”

DM: Profesora Ramanoelina Panja nahavita mandat hanao famindram-pahefana amin’Atoa Ramanoelina Panja prezida voafidy, raoviana izany tompoko ?

RP: “Miandry ny “nomination officielle” vaovao isika izay ataon’ny Minisitera, “décret” moa iny izany. Araka ny fantatsika ny Prezidan’ny Oniversite miverina hoatran’ny tena dia ny any Antsiranana, ny Profesora Manorohanta Cécile, fa ny ankoatran’izay Prezidan’ny Oniversite vaovao daholo ireo, dia miandry ny « décret de nomination » an’ny rehetra.”

DM: Ho tanteraka mandritra ity mandat-nao farany ve ny “internationalisation” tompoko?

RP: “Hamafisintsika mihitsy io satria io no efa nahafahana nanatsara ny ambaindain’ny Oniversite teo, ary mbola io ihany no anisany hanamafisana satria araka ilay lazaiko izay ohatra na dia ilay projet Rice CCD iny, fiaraha-miasa amy Belges moa iny ka dia mahazo mandry ambony vavahady isika amin’iny raharaha iray iny. Eo ihany koa efa nilaza iny Alatsinainy hariva iny ihany ry zareo amy fahavononany hifanampy amintsika amin’ilay fametrahana ONG ho an’ny Oniversite.”

Nanangona Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *