Socio-eco

ONIVERSITE MASCA SABOTSY NAMEHANA: Tsy ho vaovao amin’ny sehatry ny asa intsony ny mpianatra


Betsaka ny tombondahiny ho azon’ny mpianatra ao amin’ny “université polytechnique d’Avaradrano” (UPA)/ MASCA. Mampahafantatra ny lalam-piofanana sy ny fomba hidirana ao aminy mandritra ny “salon de l’orientation et guide des etudes supérieures” ny oniveriste MASCA. Nanomboka androany 14 novambra 2019 ary hifarana rahampitso 15 novambra 2019 eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely  ity hetsika karakarain’ny AJEEM (Association des jeunes enseignants et étudiants de Madagascar) ity. Araka ny fanazavan’ny talen’ny fandraharahana sy ny vola ao amin’ny UPA/MASCA fa lalam-piofanana telo ahazoana  ny mari-pahaizana « licence » no nisokatra tao anatin’ny dimy taona nisian’ny oniversite : « agronomie », « communication et multimédia » ary « paramédicaux ». « Nahazo fankatoavana avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa   ireo lalam-piofanana ireo”, hoy izy. Araka ny fanazavany hatrany, zava-baovao ny fampidirana ny « gestion et managment » ao anatin’ny lalam-piofanana « agronomie ».

Manana ny mampiavaka azy ity sekoly ambaratonga ambony eny Avarandrano ity. Nilaza ny talen’ny fandraharahana sy ny vola  fa “ tsy ho vaovao eo amin’ny sehatry ny asa ny mpianatra satria vao taona voalohany dia efa manao fampiharana. Ankoatra izany, na dia lavitry ny tanan-dehibe aza ny oniversite dia miezaka ny manome fampianarana tsara kalitao ho an’ny mpianatra. Manana tombondahiny ihany koa ireo mpianatra. “Izahay ao amin’ny oniversite MASCA dia efa afaka amin’ny fanofana trano, efa misy charge maromaro tsy mianjady aminay intsony dia afaka mampidina ny saram-pianarana izahay”.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *