De-Lire

Ofmata : Hanaovana teti-domotra indray ?


Ny hetra aloa amin’ny alalan’ny varotra sy ny famokarana paraky sy sigara dia mbola ahazoan’ny fanjakana volabe amin’ny alalan’ny hetra hatramin’izao…Ny Ofmata dia tantanin’ny fanjakana hatramin’izay ary ny fampirisihana ny mpamboly amin’ny fambolena paraky dia anisan’ny fototra nampiroborobo ity Ofmata ity…

Fa ankehitriny dia mitady hevitra hiala amin’ny fitantanana ny Ofmata indray Ra-Fanjakana ka manao teti-dromotra ahitana tombony manokana amin’izany ireo mpiandry kitapo latsaka amin’ny tsikombakomba avo lenta…Misy hevitra mandeha amin’ny fanangolena ny solombavam-bahoaka amin’ny famolavolana « lalàna tefimaika” mba hivarotana ny Ofmata amin’ny Sinoa sy ny Karana…

Tsy ny Sinoa na ny Karana no ratsy sy tsy azo antoka fa ny fomba fanaovana ny raharahan-Gasy mihitsy no tena mandeha any amin’ny tsy misy tanjona…Sahin’ny mpiray tsikombakomba ny mitondra « malety » omena ny depîoté mba ahafahana mahazo tombotsoa mihoampampana. Iza no hino fa misy olona hividy orinasa tsy hahazoany tombony ? Ny antsika izay kely mba azo tazonina dia atao varo-boba sy hanaovana tantely afa-drakotra


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *