Socio-eco

Ny dian’ny mpivahiny: CURAÇAO SY JAMAÏQUE


Avy any Azia atsimo atsinanana (Thaïlande sy Corée) dia hiverina any amy kaontinanta amerikana. Efa nivahiny tany Amerika avaratra (Etazonia indroa) sy Amerika atsimo (Brésil indroa) isika, ka ho any Amerika afovoany. Faritra ara-jeografia atao hoe «Caraïbes», na “La Caraîbe”, na “The Caribbean” (teny angalisy) no itondrana antsika. Hita ao ny tangoronosy (archipel) antsoina hoe “Les Antilles”. Nosy kely iray sy nosy salasalany iray hafa no itondrana antsika, dia Curaçao sy Jamaïque.

 

 Efa voasoritra mialoha araka ny programan’ny Conseil Oecuménique des Eglises COE, atao hoe « Decade to Overcome Violence » DOV, na Taona folo handresena ny herisetra, ny hanaovana fivorian’ny EDAN (Ecumenical Disability Advocacy Network) any amy faritra Caraïbes/Pacifique. Fanomanana fivoriana amy faritra EDAN samy hafa eran-tany no antom-pivoriana tselika tany Curaçao. Fivorian’ny COE naharitra andro maromaro kosa no natrehana tany Jamaïque taona vitsy taty aoriana.

Caraïbes.

Any amy faritr’i Caraïbes no misy ny tangoronosy Les Antilles: ny malaza sy lehibe dia Cuba sy Haïti ary Saint-Domingue. Mbola mamaritra an’i Caraïbes koa ireo firenen’ny kaontinanta Amerika afovoany manamorona ny atsimon’ny ranomasin’ny Antilles: Venezuela, Colombie, Panama, ary koa ireo tany mamaritra ny andilantany (isthme) Amerika afovoany: Guatemala, Salvador, Nicaragua, Costa Rica, Belize na Honduras Britanniques.

Ny ampahan’i Mexique antsoina hoe Yucatan, tanjona saika nosy na presqu’île aty andrefana, ary any avaratra ny ilany atsimon’i Etazonia: Floride. Ny tangoronosy Bahamas, ireo Guyanes samy hafa mbola eo ambany zioga Eoropeana tandrefana (Holandey, Espaniola, Frantsay). Ambonin’izany rehetra izany ny ranomasina Caraïbes sy ranomasina Antilles ilany andrefan’ny ranomasimbe Atlantika.

Bermudes.

Tsy dia lavitra ny faritra ara-jeografia Caraîbes ao avaratra atsinanany no misy ny tangoronosy malaza antsoina hoe Bermudes na Bermuda. Tsy vitsy amintsika no mahafantatra ny lazan’ny “Triangle des Bermudes” na “Triangle du Diable”, izay niteraka resabe sy angano aman’arira teo amy loza fifamoivoizana an-dranomasina sy an’abakabaka. Izay mpamaky Jean Bruce sy Josette Bruce tamy fotoan’androny koa dia mahatadidy tsara ilay lohateny malaza hoe: “Interlude aux Bermudes pour OSS 117”.

Razaka Manantenasoa Ralphine

(Hitohy)


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *