Evenement

Noborahan-dRajoelina ny resaka : « Misy maisatra tarihana ny mpiara-miasa amiko »


Notanterahina teny amin’ny lapa-panjakana Iavoloha ny 20 Janoary 2020 ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao teo amin’ireo mpanao gazety sy ireo tompon’ orinasan-tserasera izay notarihin’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Rakotonirina Gérard.

Nandritra ity fifampiarahabana ity no nanamafisan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry fa manana lanjany manokana ny asa fanaovan-gazety noho ity asa ity mitondra fanabeazana eto amin’ny firenena. Na samy manana ny firehany aza ny haino aman-jery dia tsotra ny tanjona, ny mba hilaza ny vaovao marina.

Isan’ny vavolombelon’ny fitantanana ny firenena ny mpanao gazety tao anatin’ny heritaona izay nitondrako ny firenena izay, hoy izy, raha nahatsiaro ny 19 janoary izay nanaovana fianianana teo Mahamasina ny taona 2019. Maro ny ezaka tokony hatao eo amin’ny fitantanana ny firenena ary manana andraikitra goavana ny mpanao gazety hanazava ny marina izay antoky ny fampandrosoana ny firenena.

Ankoatra izay dia nanambara ihany koa ny Prezidà-n’ny Repoblika fa hisy ny fihaonana amin’ny mpanao gazety isaky ny Alahady faran’ny volana izay hatomboka amin’ity volana Janoary ity. Momba ny raharaham-pirenena kosa dia nanambara Rajoelina Andry fa hisy ny fanovana ny governamanta ato ho ato. Notsoriny mihitsy fa tsy izy irery no mitondra eto fa ekipa iray manonto. Misy anefa ny mpiara-miasa amiko, hoy izy, tsy maharaka ny diany satria mafy tarihina mihitsy…

Hahazo 20/20 isika ao anaty ny asa fanaovan-gazety ao anatin’ity taona 2020 ity. Ahoana anefa ny fomba hanarenana ny fiarahamiasa amin’ny filazam-baovao, hoy Rajoelina Andry. Vonona hihaino ary hifampiresaka sy hanome ireo tarehimarika rehetra ihany koa ny fitondrana araka ny fanambaràna nataony.

Andrasa indray aloha izany ny tohiny amin’ity serasera amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny Prezidàn’ny repoblika ity.

Miora Razafindramanitra


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *