Evenement

Ndriana Ramamonjy sy “Bruno sy Malala” : Samy nanana ny maha-izy azy


–       Bruno dia miara-mihira lalandava amin’ny vadiny, Malala, midera an-kira. Mifameno ny feon’izy mivady: Malala manao feo mitaona misy fihetsempo, toa feo faharoa kanefa feo voalohany, Bruno kosa manao feo midoboka misy fahefana kanefa feno fitiavana. Niara-miasa tamin’ny mpanakanto ara-pilazantsara frantsay izy fahiny raha tany Bordeaux. Misy ireo tononkirany nosoratan’ny Frantsay iray ary fantatr’olona any ivelany hatrany USA. 

–       Ndriana miavaka amin’ny rindra (accords originaux), hira misy feo mifamaly, ary matetika tsy misy beso [feo telo am-behivavy]. Miavaka koa ny fanononany ny tonony, miala amin’ny mahazatra hita any amin’ny fihirana ankehitriny [rima vaovao]. Ny fitendriny dia manampy amin’ny fahazoana ny hafatra entin’ny hira [tsy misy tralala], ny hafatra mikasika ny fiainana an-davan’andro ary mitaona ny mpihaino hino sy hijoro vavolombelona. Mora hiraina ny hirany.

Hitohy any amin’i Jerosalema Vaovao ny hira fiderana, miaraka amin-dry G.F Haendel, Andrianavoravelona, Ratany, Razafimahefa… Hianatra feo fahatelo aho dieny izao.

Tsimialona


One comment on “Ndriana Ramamonjy sy “Bruno sy Malala” : Samy nanana ny maha-izy azy

  1. Pingback: Ndriana Ramamonjy sy “Bruno sy Malala” : Samy nanana ny maha-izy azy - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *