De-Lire

Nahazo volam-panjakana ny fiangonana


Inona no dikan’ity andininy faha-2 ao amin’ny lalampanorenana ity: “Ny fanjakana dia manamafy ny tsy fombàny ny atsy na aroa eo anatrehan’ny finoana samy hafa. Ny tsy fampifangaroana ny fitondram-panjakana sy ny finoana eto amin’ny Repoblika dia miankina amin’ny foto-kevitra mikasika ny fisarahan’ny raharaham-panjakana sy ny fikambanam-pivavahana ary ny solontenany. Ny fanjakana sy ny fikambanam-pivavahana dia tena tsy mahazo mifampitsabatsabaka eo amin’ny sehatr’asan’izy ireo tsirairay avy. Tsy misy mihitsy lehiben’ny andrim-panjakana na mambra ao amin’ny governemanta afaka miditra any amin’ny ambaratongam-pitarihana ny fikambanam-pivavahana iray; raha tsy izany dia  azon’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana atao ny manongana azy na heverina ho toy ny mametra-pialàna avy hatrany amin’ny asany na ny raharahany izy”. Ireo no voasoratra ka ahoana no fampiharana izany?

Soratra ka soratra ireny fa tsy misy mivonona ny hampihatra izany mihitsy akory ny eto. Raiso an-tsaina ny fihetsiky ny mpihazona ny fahefana teo amin’ny fiangonana tato ho ato.  Efa impiry izay no namerimberenana fa misy sy hita mivandravandra ny fandikàna ankitsirano ny lalàna velona kanefa dia iniana tsy jerena ifotony mihitsy. Na Rajaonarimampianina tany NosyBe na Ravelonarivo tetsy Ivato dia samy nararaotra ny andron’ny 25 desambara hanomezana vola ny fiangonana…Tsy rakitra mihitsy ireny na inonana inona hanazavana azy…tsy vola am-paosin’olompirenena tsotra… Volam-panajakana omen any fiangonana e! Tsy miaiky ny hadisoana nataony izy ireny na dia efa midofotra aza ny fanampahan-kevitra noraisiny. Mifangarongaro ny fampiharana io lalampanorenana io ka lasa haingo diso an’Iarivo.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *