De-Lire

Mpikambana ao amin’ny FFM : Anisan’izany Razaka Oliva


50% no Mpanao gazety tafita tamin’ny fifantenana izay ho mpikambana amin’ny CFM. Ny zokiolona Latimer Rangers faritra Androy, ny tanoranora Maka Alphonse faritra Anosy, ny nahazohazo taona Razaka Oliva,fantatry ny besinimaro hoe Rabevolombava, faritra Analamanga. Enina mianadahy no nirotsaka.

Razaka Oliva dia fantatry ny tontolon’ny Fifohazam-panahy amin’ny solon’anarana hoe Dada Razaka.. Tonian-dahatsoratra eto amin’ny deliremadagascar.com.  Nefa koa hahitana diam-peniny ny gazety protestanta rehetra toy Ny Sakaizan’ny Tanora, Ny Mpamangy, Ny Sekoly Alahady; GTV Tsimihatsaka Ambonin’Ampamarinana, ACEEM Radio, Radio Protestanta, Radio Teny Fiainana, Radio Fahazavana FJKM..

Raha nanontaniana ny fijerin-dRazaka Oliva ny raharaha dia teny tokana no navaliny dia ny hoe “optimiste” ny tenany satria tsy irery izy fa miaraka amin’i Jesosy, sady telo lahy be izao no Mpanao gazety ao. Ny vaomieran’ny “Marina sy famelan-keloka no irarian-dRazaka Oliva hidirana araka ny famakafakana nataony. Miarahaba an-dRabevolombava « Izahay » rehetra eto amin’ny deliremadagascar.com

Ony RAMBELO


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *