Socio-eco

MPIASAN’NY FARITRA BONGOLAVA: Efa ho dimy volana tsy nandray karama


Tsy nandray karama nandritra ny 5 volana ireo mpiasa 20 eo anivon’ny Faritra Bongolava. Mpiasa tsy raikitra (ECD) miisa 20 no tsy nahazo ny tambim-karamany nanomboka ny volana janoary  no mankaty. Nanao valan-dresaka ho an’i mpanao gazety ny herinandro lasa teo tao amin’ny birao Faritra ny solontenan’ireo mpiasa tsy naharay ny karamany, taorian’ny fanatonana ny teny anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana izay efa nanambara fa efa nahaloa io karaman’i mpiasa io ary ny vola efa any ampelantanan’ireo tomponandraikitry ny Faritra . Niezaka nihaona tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra izay misolo toerana ny lehiben’ny faritra teo aloha ireto mpiasa tsy naharay karama satria voalaza fa tsy mahazo karama raha tsy mihaona aminy, nefa tsy nahitana vahaolana izany. Nisy fepetra noraisin’ireo mpiasa ka hitokona manoloana ny birao izy ireo raha tsy misy ny fepetra. Marihina fa saika ireo “staff” politika, sekretera sy mpanao gazety fantatra amin’ny hoe “attaché de presse” ireto tsy naharay karama ireto ary manao fifanarahana isaky ny enim-bolana.

Nanangona: Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *