Socio-eco

MINISTRY NY FAMPIANARANA AMBONY: Enina amin’ny fito momba ny fitakian’ny SECES nitondrana vahaolana


Nandalo dingana maro. Alatsinainy natokan’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MINSUPRES) nampahafantarana ny ezaka vita tao anatin’ny dimy volana nitondran’i Blanche Nirina Richard ny 23 desambra 2019. Nambaran’ny ministra fa azo tsapain-tanana ny zava-bita saingy mbola maro ihany koa ny asa miandry. Vao notokanana tamin’io fotoana io ny  fotodrafitr’asa eny Tsimbazaza, natao hikarakarana ny fahasalaman’ny mpiasan’ny ministera. Nanolotra fitaovana ho ampiasaina ao amin’ity « centre médico-social » ity ny masoivohon’ny Chine miasa eto Madagasikara. Araka ny fanazavan’ny ministra hatrany fa efa an-dalana ny fanamboarana ireo oniversite any amin’ny faritra ka anisany hametrahana izany any Fenerive-Est, Morondava, Antsirabe, ary Soavinandriana Itasy.

Ankoatra izany dia nilaza ramatoa Blanche Nirina Richard fa sambany no voaefa mialohan’ny volana faran’ny taona ny vatsim-pianaran’ny mpianatra iray manontolo. Natao laharam-pamehana ihany koa ny fandoavana ny karaman’ireo mpandraharaha. Araka ny fanambarany dia nisy tamin’izy ireo no efa telo volana, dimy volana no tsy nandray karama. Momba ny fitakian’ny SECES (Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka, mpikaroka-mpampianatra) indray dia nilaza ny ministry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa enina amin’ny fito dia nitondrana vahaolana avokoa. “Misy dingana atao izay vao tonga eny am-pelatanana ny vahaolana tsirairay avy. Angatahiko mba hitsahatra hatreo ny filazana fa tsy misy vahaolana. Ny vahaolana sisa tavela dia tsy maintsy jerena eo anivon’ny governemanta toy ny fandoavana  volabe mitentina 307 miliara Ariary ho an’ny tambin-karama tsy voaloa eo anelanelan’ny 2009-2015”, hoy izy. Nohamafisiny fa manana tanjona ny ministera ny hahatonga ny fampianarana ambony, ny fikarohana ara-tsiansa hanaraka ny kalitao avo lenta.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *